Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe anambadian
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
anambadian
Hampiditra ohabolana
1.
Ny fanambadiana toy ny lalan-tany, fahavaratra tsy ialan'ny fotaka, main-tany misy vovoka.
Angonoka
2.
Ny fanambadiana toy ny jiafotsy, vao tsy ialan-kasokasoka, tonta tsy ialan-dromoromo
aivetinakely
3.
Ny fanambadiana toy antsapaka , ao ny mahazo ny trafony ao ny mahazo ny rambony
aivetinakely
4.
ny anambadian-kiterahana, ny iterahana hodimby
heriniainavictorien
5.
"anambadian'kiterahana"
rajoelsonjovialprod
6.
Ny fanambadiana tsy ferin'alika ka ho vitan-delaka, ary tsy tranon-kala ka ho vitan'ny vody
lehsabotsy
7.
Ny fanambadiana lamban'akoho ka faty no isarahana
OZ16
8.
Ny fanambadiana toy ny toko-kena,raha tsy sendran'ny trafony dia sendran'ny taolany
Janesraj11
9.
Ny fanambadiana tahaka ny jiafotsy vao tsy araha kasokasoka tonta tsy arahan-dromoromo
kemjhi
10.
Tsy misy zavan-tsy zaka mihoatra ny fanambadian-tery setra.
aivetinakely
11.
Anambadian-ko namana, iterahan-ko dimby - Anambadian-ko namana, iterahan-ko solofo.
yveratsimb
12.
Ampanambadiana lasan'olona, omby namidy tsy an'ny tena
yveratsimb
13.
Ny fanambadiana tahaka ny menaka, ka raha manalavitra ny afo dia mandry
yveratsimb
14.
Tsy ny fanambadiana no taloha, fa ny fihavanana
yveratsimb
15.
Tsy misy tsara hoatra ny fanambadiana mifanaraka
niryna
16.
Raha tiana ho tody ny lakana itàna,ny tevin-damosiny aloha no zahàna; raha tiana hateza ny lamba tinafy,tsongoy ny tenony fandrao tsy mafy; raha tiana hateza ny fanambadiana,ny alarofatra no anontaniana!
zokieva
17.
Ny fanambadian'andevo tsy manam-pahefana toy ny hefakefan'omby.
soanja
18.
Ny fanambadiana tsy nafehy fa nafandrotra.
soanja
19.
Kabary am-panambadiana, raha mahay voninahitra lolohavina, raha tsy mahay tsiny mandra-maty.
aivetinakely
20.
Tovovavy miteraka tsy am-panambadiana, mitombo isa vao mihem-bidy.
aivetinakely
21.
Antsapaka ny fanambadiana ka ao ny mahazo ny trafony, ao ny tandrify ny tandrony.
aivetinakely
22.
Izay tsy mino afatsy ny tenany irery ihany no miafara amin'ny fisaraham-panambadiana
niryna
23.
Fanambadian-ko ratsy, mpianadahy mifanaja no tsara
Raherizo
24.
Vakim-bola asanda fanambadiana ka ny kely no natakalo be
aivetinakely
25.
Ny mariazy volamena no zavatra hita mitsongadina ao amin'ny fanambadiana
niryna
26.
Ny fanambadiana dia toy ny jiafotsy, vao tsy arahin-kasokaso, antitra tsy arahin-dromoromo
niryna
27.
Ny fanambadiana fihafiana ; izay tofoka aloha no kaikeri-nenina.
aivetinakely
28.
Ny anambadian-kiadanana, ny iterahan-ko sambatra.
aivetinakely
29.
Ny anambadian-kiterahana, ny iterahan-ko dimby.
aivetinakely
30.
Tsy misy zavan-tsy zaka tahaka ny fanambadiana natao an-terisetra.
aivetinakely
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0216