Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe anjakàn
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
anjakàn
Hampiditra ohabolana
1.
Fitia miorina an-daba-pako, ka anjakan’ny adala. Ny Andri-Fara 05.09.2003
SANAKERIB
2.
Ny tsiny sy ny tody dia arofanina tsy ianjerana amin'ny fanjakan'i Baroa
piratekcan
3.
VITA HO AZY TAHAKA NY KARATR'I NAIVO;IZY NANDOA VOLA ,NY FANJAKANA KOA TSY MITAKY
SYLLA8
4.
Ny lahy samy lahy na vavy samy vavy tsy mahazo miray ara nofo na mpiavana na mpiraitampoha fa ny mpivady ihany no afaka miray aranofo vita mariazy sy vita soratra arampanjakana
andriamena45
5.
Vita ho azy sahala amin'ny karatr'i Naivo, ny fanjakàna tsy nitaky, i Naivo tsy nanatitra.
aivetinakely
6.
Lahiantitra kendam-bodiakoho:mahazo fanjakana vao mivadi-boamaso,tonga valim-pitia vao voa totohondry an-katoka.
NIAINATOKY
7.
Lahy antitra kendam-body akoho : mahazo fanjakana vao mivadi-boamaso ; tonga ny valim-pitia vao voa totohondry an-katony.
yveratsimb
8.
Tantely afa-drakotra ka anjakan'ny bodo sy adala
yveratsimb
9.
Ny krismasy izay fahatsiarovana ilay nahaterahan'ny Mpanjakan'ny fandriampahalemana ary manome basy kilalao ho an'ny ankizy
niryna
10.
Ny tenan-tsika moa dia andevolahy manan'omby ka na ny tena aza an'olona, ny adidiny tena vibiny, ny asa aman-draharaha sakelehina, ny any fanjakana loloavina
RTsongy
11.
Izay anjakan'ny fitiavana tsy anjakan'ny haizina
DMX
12.
Tantely afa-drakotra ka anjakàn'ny adala.
aivetinakely
13.
Vita ho azy tahaka ny karatr'i Naivo, i Naivo tsy nanatitra, ny fanjakàna tsy nitaky.
aivetinakely
14.
Manao tany tsy misy fanjakana
JMR
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2256