Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe avany
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
avany
Hampiditra ohabolana
1.
Sahobakaka mijery fitaratra, ka tonga dia vavany
Azrael666
2.
Ombilahy tsara feo, ka ny vavany no mahalafo azy
nestorktv
3.
Aza atao fively aponga ny havana ka ny andahiny gobogobohina fa ny am-bavany lambolamboina
yveratsimb
4.
Ombilahy isangodinan'ny menarana, ka raha omby ny vavany tonon'andro ny ho faty.
aivetinakely
5.
Voalavo no velona akaiky ny lavany
niryna
6.
Ny vitsika manana ny lavany, ny vorona manana ny akaniny ary ny olona manana ny tranony.
soanja
7.
Tsy ny aty ivelany no hitarafana ny olona fa ny teny avoakany ao anatin'ny vavany
niryna
8.
Ny tena namana dia izay mahafantatra anao ary mbola mitovy foana ny fitiavany anao
niryna
9.
Ny iray Rasahy, ny iray Ramavany
niryna
10.
Sahona miarahaba bibilava, ka lozan'ny teny avoakin'ny vavany.
sylvoalias
11.
Aza mitari-bato vilam-bava, ny tondroin'ny molony hafa, ny lazain'ny vavany hafa
niryna
12.
Ny fahavoazana mihatra dia endrika iray amin'ny fiainana ny tsy fizara izany @ olo-tianao dia manalavitra azy ny fitiavany anao.
niryna
13.
Lasanko-vavany toy ny haron-tabebaka
rtol
14.
Izay miambina ny vavany sy ny lelany dia miaro ny fanahiny tsy ho azom-pahoriana
niryna
15.
Voalavo no velona, akaiky ny lavany.
niryna
16.
Raha vinanto tsara fividy ka mitondra ny matom-periny ary mivimbina ny avany, dia tsy mba vinanto fa isan-janaka indrindra.
latina
17.
manakodia vato, dia ikodiavany koa
latina
18.
Raha vinanto tsara fividy ka mitondra ny matimperiny ary mivimbina ny avany dia tsy mba vinanto fa isan-janaka indrindra
zndriana
19.
Mpitari-bato vilam-bava hafa ny tondroin'ny tanany hafa ny tondroin'ny vavany
doum
20.
de hoe minoa fotsiny ihany nefa ny lainga toy ny salaka ka afatotry ny vavany daholo.
palince
21.
Am-bavany malefaka, am-pony tsy tia
hery
22.
Ambavany malefaka, am-pony tsy tia
McFy
23.
manantena ny halavany tahaka ny bibilava misambotra androngo
jentilisa
24.
tsy maty vavany tahaka ny anjombona : mandraka ny efa babo ka mbola izy indray no avo feo
jentilisa
25.
lasan-ko vavany toa haron-tabebaka
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0635