Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe elatra
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
elatra
Hampiditra ohabolana
1.
hala mamelatra trano am-baravarana: tsy mibahana ahy androso fa mamandrika sakafony
ramandasonfelix
2.
hala mamelatra fandrika am-baravarana, tsy mibahana ahy tsy hiditra fa mamandrika moka.
ram20
3.
Ny tselatra atosiky ny varatra, ny orana atosiky ny rahona,fa ny olona atosikiny fitiavana.
Benjamadagasikara
4.
Aingaingao rey volom-body fa ny elatra hanidinana no tsy misy.
BEDOGAIGY
5.
Aleo kijeja mifampikasoka amin'ahitra toy izay adrisa manampatra elatra mandao.
aivetinakely
6.
Valala ela nanidina folak’elatra: raha mahafoy ahy mba foiko.
itaramasoandro
7.
Ny fanompoana folo elatra ahina: ahina mahavelona, tsy ahina mahafaty.
soanja
8.
Arosy tapak'elatra ka hitoetra manina an'Itasy, hanidina tsy manan'elatra.
soanja
9.
Lolokely an-tanin'andro. ka hivelabelatra dia izy ihany, hikombokombona dia izy ihany.
soanja
10.
Mody tsy mijery tahaka ny lehilahy tia, mitsipelatra indray mandeha anefa de mahatahiry ny totalin'endrika.
aivetinakely
11.
Manjelatra amin'ny maizina tahaka ny masompiso, tsy haingo fa adidy hisamboram-boalavo.
aivetinakely
12.
Akanga tapa-kelatra amoron'ala hoe ka:handroso tsy afaka, hiverina manin-kavana
sylvoalias
13.
Tsy ny atody lamokany handoto ny rivotry ny mpianakavy, fa ny atody foy efa zary zanany, mikiokioka vao hary elatra.
aivetinakely
14.
Akohokely latsaka an-kady, hiantso kely feo; hanidina tapak'elatra; hitoetra ihany manina ny reniny.
niryna
15.
Valala ela nanidinana folak'elatra: raha mahafoy ahy mba foiko
latina
16.
Isika roalahy toy ny vato falia sy ny vanja: ka isaky ny mihaona mitselatra ihany
latina
17.
Ny fitiavana dia tahaka ny vonin-draozy mivelatra maraina ka izay miraparapa haka azy dia voatsindrona
bobone
18.
valala an-tany mena : na dia tapaka elatra aza, tsy lany paika
zouzou
19.
Valala an-tany mena na tapak'elatra aza tsy lany pika.
mandrindra
20.
voa tripla ôtran'ny akoho! ny sanga voatsaigoka, ny elatra voatsindry, ny entana voadona!
jazz666
21.
Akoho kely latsaka an-kady, hiantso, kely feo; hanidina, tapak'elatra; hitoetr ihany, manina an-dreniny
McFy
22.
Ny teny toy ny atody, raha foy manan'elatra
hery
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5288