Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe feno
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
feno
Hampiditra ohabolana
1.
Ny hazo no be doladola, ny rivotra no tia tositosy. Ny ranomasina no mafy fanonja, ny volana no fenomanana
Azrael666
2.
Tsa metimety ny fo mpisy vary leky ny sonjo feno fatagna
OZ16
3.
Ataovy toy ny volana ny fiarahabana ka raha tsy fenomanana tsy ajanona
aivetinakely
4.
Aleo ratsy feno fahatsarana toy izay tsara feno faharatsiana.
tmjjah
5.
Tsy mahafeno riha ty hatake
Momake
6.
Kitapo mora feno ; vady miara-miary.
yveratsimb
7.
Andevolahy mikalo hariva; tsy alahelo fa kibo tsy feno.
soanja
8.
Andevolahy feno kibo, minia tsy handositra, fa ny andevolahy noana, mitomany hamidy.
soanja
9.
Hazondrano natao satroka, ka ahohoka, feno, atsilany, feno.
soanja
10.
Manao toy ny Bezanozano,ka ny vavy indray no feno lovia
niryna
11.
Matsabory feno tatamo, madio fa tsy mazava
hery
12.
Ny tsara tarehy mora fandrihana, ny ratsy kosa miavon-tsy feno.
aivetinakely
13.
Ny feno tsy mikobana, ny foana no manakoako.
aivetinakely
14.
Manalasala toy ny vozon'akoho, hariana toa hena, hohanina feno taolana
aivetinakely
15.
Boka nangala-pary, ka ny fary tsy azo, ny tanana feno lay
niryna
16.
Tsy misy handrambesa azy karaha kobay feno tay.
sylvoalias
17.
Ny sasany miteny hoe feno an-tsasany ny vera misy rano, ny sasany miteny hoe tsy am-py an-tsasany ny rano
niryna
18.
Ny sombi-mofo misy fiadanana no tsara noho ny trano feno hena misy fifandirana
niryna
19.
Ny fihavanana ohatra ny famoriana tain'omby: ka izay mahavezivezy no mahafeno harona aloha
latina
20.
Boka managala-pary, ny fary tsy azo, ny tanana feno lay
latina
21.
fitia voamaintilany no tapany roa mifameno, fa raha siny feno rano mora mitobaka
rivah
22.
Boka mikavina, tsy haingo fa fitehirizan-karena. Boka mangala-pary : ny fary tsy azo, fa ny tanana feno lay. Boka mangala-boatavo, ka mifampitolona samy malama.
natix007
23.
Ze misa valany feno ero
roscarb
24.
Ny teny toy ny tsinay raha rohitina mahafeno tay
mandrindra
25.
izay akaiky vilany feno arina
doum
26.
Bingo mahafeno lalana
jentilisa
27.
Raofina ihany toy ny lainga, fa raha feno miraraka.
jentilisa
28.
Mandamina ny an'olona nefa feno tseroka sy mirongo fakofako tahaka ny fihogo sy fandraotra ibangoana.
jentilisa
29.
ny feno tsy mba mikobana
jentilisa
30.
Aza miavo-tsy feno toa tain-delo: mbola tsy feno ka efa manamorona
jentilisa
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0128