Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe fito
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
fito
Hampiditra ohabolana
1.
Tahaka ny dalle-n'Andavamamba, ririnina fitoeram-boalavo, fahavaratra fitoeram-pozaorana
valihniaina
2.
Kamo be baiko, manafitohina ny efa manao
ram20
3.
Ny ela nandeferana , tsy voatazon-tsonia fito.
aivetinakely
4.
Aza manao vazaha fito an-trano
yveratsimb
5.
Varifitoventy mahatapaka ny vozon' akoho
yveratsimb
6.
Be famangitra toa rambon'osy, ny lanitra tsy hianjera no tohanana, fa ny fitombenana lanin'ny moka tsy tsaroana.
romanzo
7.
Atody fito fototra, tsy ilaozan'izay ho lamokany.
soanja
8.
Be geste hoatry ny saka, ny malotony totofana fa ny fitombenana tsy firana !
Jaks
9.
ataovy toy ny sira ny fitondrana havana, mahery tsy mahafola-nify, malemy misy hitelemana fa ny havana no lelafin-katelina
bobone
10.
Vidin-dafo tahaka ny atim-boay fito.
aivetinakely
11.
Miari-tory alin-draika, fito andro manefa trosa
aivetinakely
12.
Tsy lahatra akory ny habadoana fa ny loha tsy atao fitoera-tsakotra fotsiny.
ZEMJOS
13.
Ataovy ambongadiny tahaka ny fitokisana fa aza atao antsinjarany tahaka ny fitiavana, ka misy ny sarisarim-pitia.
aivetinakely
14.
Raha mety ny atao, saobakaka mampidi-drano ketsa, raha tsy mety ny atao, tain'akoho aza maha-tafitohana.
king58
15.
Bibilava fahaenina mitera-pahafito ka manatombo refy noho ny reniny
soaharytoliary
16.
Basin'ariary fito hoe ka tsy tian'ny manana kanefa tsy takatrin'ny mahantra.
sylvoalias
17.
Ny rano am-parihy, hono, no fanovo amin-jinga, ny vary no fitoto an-daona, ary ny sompitra ambany rihana no miantoka ny taon-tsarotra.
aivetinakely
18.
Tsy misy fitia fito taona, fa ny sisan'izay fihavanana.
aivetinakely
19.
Aza hadino ny zaton-kaja fanome ny sy ny fitia fitondra ho andreny
aivetinakely
20.
sola homan-trafon-kena, ka any an-kibo no manao fito an-kila
latina
21.
Tafitohina mandon-tavy ka merika ny andro
latina
22.
Tiavo ny vady fa raha tafitohina hareniny
Swin
23.
Mahalava moko gn'akanga, gny fitôvany
SENATERA
24.
Zaza fito tsy mahafehy trano
doum
25.
Vinantolahy tonga rafozana, akoho iray no ho vonoina ka antsy fito no ahetsiketsika
JMR
26.
Tovovavin'Ambohimanarina, votsa saina fa kinga fitombenana
JMR
27.
Aza manao be filaza ka manao kely fitondra mody
McFy
28.
Be filaza fa kely fitondra
jentilisa
29.
Avo fitoetra Andriamanitra fa ambany fijery
Vetso
30.
Zaza fito tsy mahafehy trano fa ny fanahy fito no mahafehy trano.
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1061