Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe hery
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
hery
Hampiditra ohabolana
1.
NY ASA Ny asa no lova, soa tsy lany hasina, Andaniana ny fotoana, amin’ny fo sy saina. Fa ny fety koa indraindray, fitsaharana masina, Hanangonana hery hifohazana maraina. #Mahane
AsaphMahane
2.
Tsy nisy biby te ho kary, fa mahery ny laha-Janahary
Azrael666
3.
Tsy misy mahery noho ny masoandro, fa rehefa sembanin-drahona dia folaka ihany.
Tambanivohidahy
4.
akoholahy maneno an-tsena, tsy hery fa alahelo ny toerana nilaozana
Jocelyn Bellarmain
5.
Vovoan'Amboa,tsy hery fa tahotra
Jj.be
6.
Ny mahay vava tsisy hery
gerardjapon2
7.
Mbola Mahery Ny Fitiavana,nony Ny Sandry.
avoss Jah
8.
Hoy ny Ntaolo hoe "Aza manantena hery fa ny lahatra tsy azo rombahina"
Razakasoa-joda
9.
Ny hery tsy mahaleo ny fanahy.
0330417255
10.
Izay manenjika ny osa mbola henjehin'ny mahery
jock
11.
sandry be tsy hery,fahatanorana tsy ody faty
Vatonomena
12.
Ady tsy tra-mampahery vava.
BEDOGAIGY
13.
Ady amin' adala, ka ny hery no miala.
BEDOGAIGY
14.
Adin' ombalahin' ny mpianakavy : ny mahery tsy hobina ny resy tsy horakorahina.
BEDOGAIGY
15.
Adin' akoho vorom-bato : ny resy torotoro, ny mahery disadisaka.
BEDOGAIGY
16.
firaisan-kina no hery
danielclaude1
17.
NY HERY TSY MALEHONY FANAHY. NY FIRAISAKINA NO HERY.
ANDRIAMENA45
18.
Mitovy tanjaka otran ny tongotr alika ka tsy fantatra izay tena mahery.
niaina07
19.
"Firaisan_kina no hery, izay mitambatra vato ary izay misaraka fasika"
MATOKYAH
20.
Ny betsileo liaka tsa mba mabo fa ny toaka ro mahery
sylvoalias
21.
Tsy sitrapon'ny antsy ny hikapa taola-mahery fa asesiky ny tana-mandrasa ka tsy afa-mandà.
aivetinakely
22.
Ny fikambanana no hery
yveratsimb
23.
Adin'akoholahy vorombato: ny mahery disadisa, ary ny resy torotoro.
aivetinakely
24.
Alika mivovo, tsy hery fa tahotra.
aivetinakely
25.
Trafo-kena ome-mahery, am-bava homana, am-po mieritra
yveratsimb
26.
Natao hitsikitsika hivavahana, kanjo voromahery mipaoka akohokely
yveratsimb
27.
Amin'ny fihainoanao ny hafa dia efa mankahery azy hianao .
niryna
28.
trafo-kena ome-mahery: am-bava homana, am-po mieritreritra.
itaramasoandro
29.
Tsy sitrapon'ny antsy ny hikapa ny taola-mahery, fa asesiky ny tana-mandrasa.
soanja
30.
Mipaoka imason'ny tompony toy ny voromahery.
soanja
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1149