Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ialan
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ialan
Hampiditra ohabolana
1.
Ny fanambadiana toy ny lalan-tany, fahavaratra tsy ialan'ny fotaka, main-tany misy vovoka.
Angonoka
2.
Ny fanambadiana toy ny jiafotsy, vao tsy ialan-kasokasoka, tonta tsy ialan-dromoromo
aivetinakely
3.
Tafo tranon-reny tsy ambinina, Zanahary manafo ny ialany,izy manafo ny ilany
Nyavorakoto
4.
ny fihavanana toy ny landy , vao tsy ialan-kasokasoka, tonta tsy hialan-dromoromo
kiriah
5.
Jiafotsy, ka vao tsy ialan-kasokasoka, raha tonta tsy ialan-dromoromo.
soanja
6.
Aza atao fitia varavarana aho, tiana ihany fa atositosika, na atao fitia ranotrambo be fiavy fa mora ritra, na fitia paraky ka rehefa matsatso arora, fa ataovy fitia lamban'akoho ka maty vao ialàna
aivetinakely
7.
Ny fanambadiana tahaka ny jiafotsy, vao tsy ialàn-kasokasoka, tonta tsy ialàn-dromoromo.
aivetinakely
8.
Ny fihavanana toa jiafotsy, vao tsy ialan-kasokasoka, ary tonta tsy ialan-dromoromo.
marozevo
9.
Aza manao fialan'ny jiosy
doum
10.
ny lainga mora atentina fa sarotra ialana.
jentilisa
11.
lalitra an-kazo, ny iaviany tsy mahavezatra, ny ialany tsy mahamaivana.
ftma
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0174