Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe iriana
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
iriana
Hampiditra ohabolana
1.
Ny faniriana lalina no mampanaonao foana fa ny fahadisoam-panantenana no mampiheritreritra.
Lantoandryeric
2.
Mitaiintaina toa sobakaka ambodiriana
OZ16
3.
Tolona sy ady ny fiainana ka zara ho an´izay manam- paniriana handresy
tovorandria
4.
Ny faniriana mety ho sahala, fa ny anjara tsy hitovy.
tsiroa
5.
Ela velona ireo iriana ho faty, ary vetika dia maty ireo iriana ho ela velona.
Tibao
6.
Ny tsiny HADY lalina tsiriana maha-fanina, ianjeràna maha-faty
kiriah
7.
Vorontsiloza , fa loza ihany raha mahita tsaramaso eny am-paniriana.
soanja
8.
Tsy mba tsiriry vorona, ka manifi-drano dia lasa, fa tsiriry ahitra, ka lo eo an-tany aniriana.
soanja
9.
Namboarina nitovy ny olona fa ny faniriana ao anaty no tsy itovizany
niryna
10.
Faniriana ny an-dRaivotatamo : raha mba vadiko, hono, Rainizafinime !
ontsy
11.
Sahobakàka ambodiriana, tsara toerana fa be tebiteby.
aivetinakely
12.
Ny faniriana tsy takatry ny vintana
latina
13.
Ravinkazo nanintsana ka ny sisa no ampaniriana
JMR
14.
ravinkazo nanintsana, ny lasa tsy azo ahoana, fa ny sisa no ampaniriana.
jentilisa
15.
saobakaka mihanika vatolampy ka ny faniriana betsaka fa ny hozam-pe no tsy ampy
kabarih
16.
Faniriana an'olombelona zaka an'Nanahary
jentilisa
17.
Ny faniriana tsy takatry ny vintana.
lanto
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9658