Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe kamo
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
kamo
Hampiditra ohabolana
1.
Kamo be baiko, manafitohina ny efa manao
ram20
2.
Tsy misy ny kamo ambinina,fa ny hatsembohan'ny tavanao ihany no ihinanan'ny vavanao.
Ny_Arlinah
3.
Mazoto kamo velona sahala amin'ny akoholahy, mba mifoha maraim-be ihany fa mijanona eo amorom-patana.
randriajj
4.
Be faniry, kely fila; ny vary aloha tsy ataon' ny kamo
yveratsimb
5.
Ilay Kamo mivady : ny lahy matory maraina, ny vavy manao be fahandro : tafahaona ny adala roa.
yveratsimb
6.
Ilay kamo mivady: ny lahy tsy tia harahara, ny vavy tsy tia vody tenona
yveratsimb
7.
Maka miadana ny kamo ka ny fahantrana no miandry azy
niryna
8.
Saobakaka anaty kamory ka hitoetra toa ho faty , hifindra toerana toa tsy ho velona.
soanja
9.
aretin-dRakamo hiasa ka tsy ilan-tambavy fa satriny aza dangy
kiriah
10.
Kamo be tenda ka mahatonga ny mpialo ho sain-kanina.
aivetinakely
11.
Kamolahy be tenda, ka mangatak'andro hamerenan-trosa.
aivetinakely
12.
Lamba fohy tsy an'olon-jejo, lamba lava tsy an'olo-kamo
niryna
13.
Kamo mindrana angady ka aza mahita anie aho.
aivetinakely
14.
Mpianatra kamo mamaky boky, koa mionona amin'ny kely azo tany am-pianarana.
ilanto
15.
Ny kamo fandositra:tsy zovy no ho tratrany fa ny tena ihany.
niryna
16.
Kamovavy mindrana angady ka aza mahita anie aho
aivetinakely
17.
Nahoana no lala-masaka omaly, ka dia manjary tevan-kamono?
latina
18.
ny manambady ny masiaka, mitahiry varatra an-trano ary ny manabady ny kamo, mitahiry faty tsy maimbo
antsiry
19.
Aza kamo be tenda
doum
20.
Be faniry, kely fila ; ny vary aloha tsy ataon’ny kamo.
hery
21.
Aza manao kamo be tenda
hery
22.
Ny kamo ihany no ho sasatra
hery
23.
ny kamo ihany no sasatra
jentilisa
24.
Ny tenin'ny mpisampina tsy inoan'ny mpisikina; ny tenin'ny mpijery tsy inoan'ny mpanao; ary ny tenin'ny kamo tsy inoan'ny mazoto.
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0346