Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe kenda
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
kenda
Hampiditra ohabolana
1.
Rafotsibe kendam-bomanga ka kenda vao hoe domy aho ranaotra
RIJA08
2.
Rafotsy be kenda-bomanga ka napangain`ny zava-bitany
RIJA08
3.
Izay tsy milalao sain-kanina, sakaiza-bilany vy kendakorona
zahoity
4.
« Soa lavo hahay hamindra,soa kenda hahay hitsako »
ulquiorrafetraniaina
5.
Vendrana mihoaka,kenda vomanga nasesiky ny tanany.
RAP-ANGE
6.
Lahiantitra kendam-bodiakoho:mahazo fanjakana vao mivadi-boamaso,tonga valim-pitia vao voa totohondry an-katoka.
NIAINATOKY
7.
Lahy antitra kendan’ovy : tsy atolak’olona, fa matin’ny nasesiky ny tànany
yveratsimb
8.
Lahy antitra kendam-body akoho : mahazo fanjakana vao mivadi-boamaso ; tonga ny valim-pitia vao voa totohondry an-katony.
yveratsimb
9.
mitsako tsy ré, koa kenda vao hoe:domy aho ranaotra
Raherizo
10.
Rafotsibe kendam-bomanga, ka maty nasesiky ny tenany ihany
aivetinakely
11.
Lany fika toy ny banga mitsako valala, haloa: moa ny raha matsiro, hatelina : matahotra sao kenda.
sylvoalias
12.
Tojo ny amalona be menaka hoe ka tsy mahalala zanaka amam-para, ka rehefa kenda dia hoe dony kely aho ranaotra
sylvoalias
13.
Rafotsy be kendam-bomanga, kendan' ny nasesiky ny tananany
rtol
14.
banga very antsy, ka ny kenda no ampoizina
latina
15.
Faly raha tonga ny rano fanala kenda, raha malahelo ka misy mpanony, raha lavo ka misy mpanarina
latina
16.
Antitra kendam-bodiakoho ka omem-boninahitra indray vao mivadi-boamaso
ramix
17.
Rafotsibe omam-bomanga ka kenda nasesiky ny tanany
tovolahy007
18.
Rafotsibe kendam-bomanga, maty noho ny nasesiky ny tanany!
jajaf401
19.
hazakazaka arahitosika ity ny fiainana ka izay voky ihany no lelafin'ny namany, fa rehefa kely ianao de toy ny rafotsibe kendan'ny vomanga ka any antenda no manitsy azy
palince
20.
Mitsako tsy re, ka kenda vao hoe domy aho Ranaotra a!
JMR
21.
aza tenda lotra ka kenda vao hoe domy aho ra notra
ramuscle
22.
Rafotsibe kendam-bomanga ka matin'ny nasesiky ny tanany
hery
23.
Soa lavo hahay hamindra soa kenda hahay hitsako
vale
24.
Soa kenda hahay mitsako; soa lavo hahay mamindra.
lanto
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0552