Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe kisoa
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
kisoa
Hampiditra ohabolana
1.
vava-kisoa misy sira ka asakasak`izay hihinana azy
RIJA08
2.
Raha lava ny teny very ny soa , raha lava ny bozaka very ny kisoa
RIJA08
3.
Raha tsara vady sady tsy mandray ravin-dena tsy mety manana kisoa tsara
aivetinakely
4.
"Andrakandrana no nampihinan~tay ny kisoa"
Shcwarzeneric
5.
"Manalasala toin'ny mamely renin'kisoa, hitsanganana iva loatra, andoalihana avo loatra"
Shcwarzeneric
6.
Adin-kisoa no misy atolak' orona.
BEDOGAIGY
7.
Adin-kisoa, ka samy mandoa vory ihany na ny resy na ny maharesy.
BEDOGAIGY
8.
Adin-kisoa, ka poritra vao manasa vangy.
BEDOGAIGY
9.
"Tsy misy adala hoatran'ny kisoa fa rehefa mivoaka be tondromolotra",adala
TOKYTK
10.
Toy ny kavim-bolamena eo @ oron-kisoa,Ny vehivavy tsara tarehy tsy manam-pahendrena
2N.E
11.
Faheresen-kisoa, miakandrefana.
soanja
12.
adin-kisoa, ka vitam-potafota.
soanja
13.
Adin-drenin-kisoa, ka vitan'anjonanjona.
soanja
14.
Mba hafa kely indray izay hoy ilay kisoa nihinan-tay
Ratianakel
15.
Resaky ny mpiandry fody tsy idiran'ny mpiandry kisoa.
aivetinakely
16.
Tapotapoham-pahasoavana ka mibaby kisoa mita rano
Manatsiala
17.
Kisoa maty andanonana ka hampisaraka antoko roa ny nasaina.
aivetinakely
18.
Kisoa mifanena amin-dambo, tojo razambe vao rifatra mandositra.
aivetinakely
19.
Raha manambady tsara tarehy dia tsy mahavondraka kisoa, satria variana mijery azy ny kisoa fa tsy mihinan-kanina
aivetinakely
20.
Tampotampoim-pahasoavana ka hibaby kisoa mita rano
ratoul
21.
Ny lambo mena hena fa matanjaka, ny kisoa madio hena fa malemy modaka
aivetinakely
22.
Ny kisoa no mitrongy vao homanna noho ny hadontoany.
sylvoalias
23.
Ny kary no be mpanakora, ny kisoa no be tondro molotra, fa ny olona tokony ho be fihavanana.
aivetinakely
24.
Aleo ravim-bomanga arahin-tsentsetra, toy izay hena kisoa arahin-dromoromo.
aivetinakely
25.
Vavakisoa misy sira, ka tokinao hihinana azy.
aivetinakely
26.
Vavan-kisoa misy sira, tokinao hihinana azy.
aivetinakely
27.
Tsy misy maloto tahaka ny kisoa fa rehefa miboaka be tondro-molotra.
aivetinakely
28.
Aleo ravim-bomanga arahin-tsetsetra, toy izay hena kisoa arahin-dromoromo.
aivetinakely
29.
Tampotampoham-pahasoavana ka mibaby kisoa mita rano
hery
30.
Tsy misy dondrona toy ny kisoa, fa rehefa tezitra manondro molotra.
marozevo
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0426