Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe lahy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
lahy
Hampiditra ohabolana
271.
Raha sosoa no ataon-dRahavana, izaho irery no mahatan-kadivory, roa lahy mahasakana arivo
hery
272.
Bolokilahy homam-boatseva, mamy ny atsy, fy ny ary.
hery
273.
Akoholahy mikohokoho akohovavy, tsy hanin-kahavoky fa voninahitra ifanomezana
jentilisa
274.
Aza mandidy alohan'Andriamanitra tahaka ny olona mampanotrika atodiakoho ka manao hoe ity kokolahy ity kokovavy.
jentilisa
275.
papangolahy anaty katsaka izay mivoaka babany avokoa
jentilisa
276.
Hazakaza-dava toy ny ombalahy
McFy
277.
Akoholahy miady am-pasika ka samy miaro ny masony tsy ho ditsoka
McFy
278.
Ataovy toy ny dian-tanalahy, tsinjovina ny eo aloha, jerena ny aoriana.
jentilisa
279.
Ny ana-dRay aman-dReny toy ny tsipak'ombalahy raha mahavoa mahafaty raha tsy mahavoa mahafanina
vale
280.
Ny olona marina toy ny ombalahy ampandronjinana : tsy folaka anio, tsy maty mandrakizay
Fanja1
281.
Gisalahy homan-ketsa, izy mangalatra indray no avo vava.
jentilisa
282.
Aza manao gisalahy homan-ketsa ka ny homana ny an'olona indray no avo feo.
lanto
283.
Malaza ho lahy ka tsy mandry an-efitra!
lanto
284.
Mpirahalahy mian'ala, ka izy tokiko, ary izaho tokiny
hery
285.
Mirediredy ho lambolahy, fa rehefa mahita ampombo malemy, miketraka ho reni-kisoa.
hery
286.
Aza manao ganagana lahy : ny mitari-dalana indray no mihakely feo.
hery
Voalohany
Mialoha
8
9
10
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015