Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Les proverbes contenant laza
Liste des proverbes, contenant
laza
Insérer un proverbe
1.
Antidahy mangetotra antsena, laza no tadiavina, henatra no azo.
Darystide
2.
Manan-karena mitafy jiafotsy, tototry ny lazany ihany
hery
3.
Boka be fankasitrahana ny tanana hanolotra tsy misy fa ny fo no atao tsara laza ho faly.
aivetinakely
4.
Kibokiboin'ny marina ka milaza tsy anontaniana.
ndrina56Oha
5.
Ny fahafinaretana no tiana ho azo, ka izay nasaina atao lazaina fa mety.
Nassa
6.
Mpamosavy milaza tia fahavalony, hay mila tamby fahafatesana
ram20
7.
toko tapaka vilany mitongilana na be na kely fa izay mahita ny marina mba milazà
marsonxavier5
8.
Ny valala misy, ny mpilaza koa mahay
nalsonrazakariasa2015
9.
Matikambo milaza tsy tia nefa avela irery milela-bilia.
Ny_Arlinah
10.
Aza milaza ho tsy kitay,tsy vary maina;fa tsy fantatrao izay havoakan'ny ampitso.
Ny_Arlinah
11.
NY tsa tea tsa hilaza soa
fidelis16
12.
Tsy midera vady mahay mandihy fa ao ny sandriny hilaza azy
OZ16
13.
antilahy nangalatra ampango,hialaka lazan-draha
daniel15
14.
Be hambo tahaka ilay jamba ka milaza fa mahita kitana mitatao vovona
NYAMI
15.
ny tsy tia tsy hilaza tsara
imr'on ji
16.
Tsy mety raha ny ateran-kira indray no milaza ho tsy mahay mihira.
niryna
17.
Te-hilaza ka tsy mahay;te-hiteny ka bada lela.
niryna
18.
Volom-bodin'akoholahy: malaza tsara ihany fa aorian'ny namany.
aivetinakely
19.
Aza mody milaza fa tsy tompon'andraikitra amin'ny zavatra atao.Andriamanitra irery no mahalala ny ao am-po tsy miafina.
niryna
20.
-Indray mandeha no manana patsa indray mahandro ka milaza tsy orin-daoka
danbal
21.
Tehatehaka ny an'i Ambodisiny fa Ambohimalaza no tompon'ny gora
Niankohofana
22.
Sisi-hazon' Antanamalaza, mahitsy ihany fa tonotononana; sisi-hazon'Antananarivo, sady soa no arahim-bankona.
soanja
23.
Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, Ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena.
andrebabe
24.
Akohovavy maneno, ka ny loza ho an'olona lazainy,fa ny angady hitomboka ny lohany tsy fantany.
soanja
25.
Tatabava, milaza taon-tsy hisitrahana toy ny kankafotra.
soanja
26.
milaza tsy tia nefa manaramaso
kiriah
27.
Manao tahaka ny angely, ka milaza mbamin'ny elany.
soanja
28.
kamboty b arena ka milaza ho leo ena
turin
29.
Ny anateran-kira indray no milaza tsy mahay.
walte
30.
Rano an-tambo, tsara anarana fe milaza loza.
aivetinakely
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.8352