Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe mahantra
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
mahantra
Hampiditra ohabolana
1.
Sotro ranon'ny mahantra,tsy hetaheta fa fanampi-tsakafo "Zavona Rakoto"
ZavonaRakoto
2.
"Ny Manankarena Mety Mbola Hijaly,ary Ny Mahantra Mety Mbola Hifaly"
avoss Jah
3.
Mahantra raha samy olombelona toy ny malagasy, velona ianjadian’ny fahoriana, maty very taolam-balo.
Rakotoaly
4.
sotro ranon'ny mahantra tsy ala hetaheta fa fanampi-tsakafo
bemena
5.
Mahantra tsy misy mpangoraka na mikapa aza misy mitoraka
Ratianakel
6.
Mahantra ny tia irery.
aivetinakely
7.
Na manankarena na mahantra dia mitovy ihany ny namorona azy
niryna
8.
Miketrika hoditra ka mitsimbina ny mahantra.
aivetinakely
9.
Basin'ariary fito hoe ka tsy tian'ny manana kanefa tsy takatrin'ny mahantra.
sylvoalias
10.
Mahantra te hotafita fianarana, koa ny vaky boky no sisa ianteherana.
ilanto
11.
Izay manome ny mahantra, mampindrana an'Andriamanitra.
aivetinakely
12.
Mahantra kosa Ramomba, fa mihary ho an-janan-drafy.
ikalamako
13.
Ny boka indray no mahantra: velona tsy iray trano, maty tsy iray fasana
latina
14.
Sambatra kosa Raherana, fa manan-kierana, sambatra Razozoro, fa manan-kijoroana, fa mahantra kosa Ratatamo: velona manao ranomaso an-tenda, maty manao ranomaso havozona.
latina
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0169