Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe mivoaka
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
mivoaka
Hampiditra ohabolana
1.
Papango lahy anaty katsaka ka izay mivoaka babany avokoa
RIJA08
2.
Ny ratsy atao anie hono ka mitondra ny tsy rambin'ny tanany raha miditra, fa mitondra ny tsy heran'ny ainy raha mivoaka.
Nambing
3.
Hendry anaty toy ny samoina fa rehefa mivoaka afatotry ny sasany
aivetinakely
4.
"Tsy misy adala hoatran'ny kisoa fa rehefa mivoaka be tondromolotra",adala
TOKYTK
5.
Trano vaky vovonana ka mitondra teny mivoaka.
soanja
6.
Mivoaka ho faty ohatry ny kankana.
soanja
7.
Tsy misy hendry tahaka ny samoina fa rehefa mivoaka afatotry ny sasany.
aivetinakely
8.
Vitsika tsara trano, malaina mivoaka nefa tsy manan-kanina.
aivetinakely
9.
Voangaly tsy maty amin'ny hazo tokana ny aty, ka mahita foana vao mivoaka ny trano.
aivetinakely
10.
Hendry anaty tahaka ny lolo, fa rehefa mivoaka afatotry ny sasany.
aivetinakely
11.
Tojo rafozam-bavy masiaka, ka ny mivoaka mitsiotsioka no fanafodiny.
aivetinakely
12.
Hendry anaty tahaka ny samoina fa rehefa mivoaka afatotry ny sasany.
aivetinakely
13.
Izay mivoaka iray babany avokoa
niryna
14.
Mivoaka ho faty toy ny kakana
niryna
15.
Kristianina sandoka: mivoaka alina, mamosavy; mivoaka andro, manao risoriso.
ilanto
16.
Goaika mangala-katsaka ka izay mivoaka dadany avokoa.
aivetinakely
17.
aza manao hendry anatiny toa samoina, ka raha mivoaka afatotry ny sasany
latina
18.
Ny mpamosavy aza mivoaka misasaka alina dia hita ihany, ka indrindra fa izay manao ratsy atoandro
latina
19.
mpamosavy vao mina_bao ka mivoaka @ androdiavolana
dadou
20.
Mivoaka maraina tsy lasa lavitra ohatry ny akoho.
Bobdenard
21.
Mivoaka ho faty hoatran'ny kankana
JMR
22.
Aza mivoaka miditra toa lelon-jaza
JMR
23.
Toy ny trano vaky vovonana, ka mitondra teny mivoaka
hery
24.
Mivoaka ho faty ohatry ny kakana
hery
25.
miditra manimbolo, mivoaka manimbolo
jentilisa
26.
Toy ny trano vaky vovonana ka mitondra teny mivoaka
hery
27.
papangolahy anaty katsaka izay mivoaka babany avokoa
jentilisa
28.
toy ny trano vaky vovonana ka mitondra teny mivoaka.
ftma
29.
Miditra amin'ny kiloadoaka dia mivoaka amin'ny makarakara
tomgas
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0169