Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe rafozana
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
rafozana
Hampiditra ohabolana
1.
Noetanin-pitia ka nikitika nonon-drafozana
RIJA08
2.
Njola mangata-bady, ka ny rafozana no voatilitily
Mannhery
3.
Arahabao izay hita fa tsy fantatra izay ho rafozana.
Ny_Arlinah
4.
Raha tiana ny vady,ny rafozana no tsinjovi-mandeha.
Ny_Arlinah
5.
Dedaka tonga rafozana ka trano bongo no asiana fandri-baratra
Bouba_lova
6.
Aza mba matin-kenamaso ohatry ny sola mandrafozana, na marary aza ny loha ny vilany tsy maintsy lolohavina
aer0jhony
7.
Hodiana tsy re ohatry ny fosan-drafozana
tsiroa
8.
Dedaka tonga rafozana,akoho vonoina ka indramam-pamaky
tsiresinirina
9.
Aza manao toy ny rafozana jamba, ka aleo ateran-tsira kely toy izay homen-damba tsara
yveratsimb
10.
Tsara ny tantana, fa ny rafozana no tsy enina
yveratsimb
11.
-Dedaka tonga rafozana, akoho iray no vonoina ka famaky no tadiavina
danbal
12.
Tia vady manompo rafozaña. OHABOLANA SAKALAVA
zandrikelytf
13.
"Arahabarahabao ny mpandalo fa tsy fantatra ze ho rafozana"
Crionlas
14.
Vadivao mifanena amin-drafozana, sahiran-tsaina ny fomba hiantsoana azy.
aivetinakely
15.
Mijaingijaingy tahaka ny rafozana voalatsa.
aivetinakely
16.
Vady notoloram-pahefà na, ka manitsa-boninahitry ny rafozana.
aivetinakely
17.
Afovoan-drafozana sy vady, hiteny manan-tsiny, hananatra tsy masin-teny.
aivetinakely
18.
Fosafosa mankarary vinanto, latsalatsa mampahory rafozana.
aivetinakely
19.
Vinanto tia fosa rafozana, tsy mitsinjo ny ho farany.
aivetinakely
20.
Sahiran-dava tahaka ny rafozana tonga vinanto ka manadino ny hanitra tokony hampitaina.
aivetinakely
21.
Miasa mafy tsy hitan-drafozana, ka alao ny vadiko hitantara aminy.
aivetinakely
22.
Aleo miandry fatin-drafozana, toy izay miandry hani-masaka.
aivetinakely
23.
Ny vady jerijery, ny rafozana fanambina.
aivetinakely
24.
Aleo miandry fatin-dRafozana toy izay miandry hani-masaka.
aivetinakely
25.
Izay tia rafozana mitsinjo ny rahampitso, izay malay vady mandrava ny androany.
aivetinakely
26.
saobakaka mamangy rafozana ny mpamangy mototra ny vangiana mototra.
tendry77
27.
Miasa jamba rafozana toy ny vinanto vao.
niryna
28.
Sahobakaka mamangy rafozana ka ny mpamangy montotra ny vangiana montotra!
rtol
29.
Dedaka tonga rafozana, akohokely ka indramam-pamaky.
aivetinakely
30.
Raha tiana ny vady, ny rafozana no tsinjovy manefitra
niryna
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0176