Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe rindra
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
rindra
Hampiditra ohabolana
1.
sarotr'enjehina toy ny saka mainty ao anaty haizina, indrindra raha tsy misy ao
yveratsimb
2.
Sobiky rindra notampenan-kerana, ka ny azy fanahy iniany
yveratsimb
3.
indrindra hiseo ihany dia mananety; fa indrindra raha tsy hiseo ihany, dia aleo mitoto-bozaka.
itaramasoandro
4.
Arakaraky ny fandrosoan'ny fahaterana no ahafantarana fa ny fahatsorampo no fahasambarana indrindra
niryna
5.
Teraka iray botry, teraka iray botry, i Faralahy no lava indrindra.... ny lahin-taretra.
soanja
6.
Raha nomen'Andriamanitra antsika avy izay tadiavintsika dia efa nesoriny sahady ny zavatra tsara ambony indrindra amintsika
niryna
7.
Ny eritreritra no avo indrindra toy ny papango rivotra izay misidina avo dia avo
niryna
8.
Ataovy fitia tanam-poza ka lany mbamin'ny madinika indrindra.
aivetinakely
9.
Kibo nitondra, malahelo amin'ny zavabitika indrindra.
aivetinakely
10.
Aza mietaketaka toy ny akoho kely vidin-drindra.
niryna
11.
Voa mirindra, voa miandalana, ka izay mahatsangy no zaza
kanto1
12.
Manahirana ny mamoha ny mpianankavy indrindra ny andro maraina.
niryna
13.
Ny afo, ny rivotra ary ny orana no namana indrindra sy fahavalo ratsy indrindra
niryna
14.
Ny ranomaso no zavatra sarotra atelina indrindra
niryna
15.
Ny mitia ny asa ataonao no fanalahidin'ny fahombiazana voalohany indrindra
niryna
16.
Avo fijery Andriamanitra, koa mahita ny miafina indrindra.
ilanto
17.
Ny eritreritra no papango avo indrindra misidy ambony dia ambony
niryna
18.
Raha vinanto tsara fividy ka mitondra ny matom-periny ary mivimbina ny avany, dia tsy mba vinanto fa isan-janaka indrindra.
latina
19.
Ny kary aza mitsaoka amin'Andriampatsa mahazo, ka indrindra fa ny havana.
latina
20.
Ny mpamosavy aza mivoaka misasaka alina dia hita ihany, ka indrindra fa izay manao ratsy atoandro
latina
21.
Raha vinanto tsara fividy ka mitondra ny matimperiny ary mivimbina ny avany dia tsy mba vinanto fa isan-janaka indrindra
zndriana
22.
Toy ny vary amin-dronono tondrahan-tantely, ka tian-ko lalina indrindra
hery
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0968