Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe sahona
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
sahona
Hampiditra ohabolana
1.
Ao ihany ny takatra nihinana ny valala sy ny vano nitsaingoka ny sahona.
soanja
2.
Toy ny sahona ka mitoetra toa lahiantitra, mivikina toa tovolahy.
soanja
3.
Izay aleha rehetra maneno sahona avokoa
niryna
4.
Sahona miatrika bibilava, tsy hery fa fahendrena arahin-tahotra.
aivetinakely
5.
Tsy mivaky loha tahaka ny sahona mandao atody.
aivetinakely
6.
Malaza tsy ihinanana tahaka ny lovian-tsahona.
aivetinakely
7.
Sondrian-kira tahaka ny sahona ka tsy mahatsikaritra ny fahavalo manatona.
aivetinakely
8.
Sahona miarahaba bibilava, ka lozan'ny teny avoakin'ny vavany.
sylvoalias
9.
Jambam-pitiavana toy ny sahona nanambady bibilava ka tsy mihevitra ny rahampitso.
sylvoalias
10.
Malaza tsy ihinanana toa vilian-tsahona.
ilanto
11.
Malaza tsy hihinana toy ny viliantsahona
niryna
12.
Malaza tsy hinanana toy ny lovian-tsahona
rtol
13.
Saho-bakàka miaraka amin'ny sahona, ka ny lehibe no adala.
aivetinakely
14.
Saho-bakàka mamangy sahona ka ny vangina diry, ny mpamangy diry.
aivetinakely
15.
Malaza tsy ihinanana tahaka ny lovian-tsahona
aivetinakely
16.
Sahala amin'ny sahona: mipetraka, toa lahy antitra, mitsambikina, toa tovolahy
latina
17.
horakoraka ny an'i Sahona fa ny tsiboboka no tompon-drano
Malalason
18.
Tsy mahalala biby afa tsy ny sahona
mandrindra
19.
Malaza tsy hihinanana tahaka ny vilian-tsahona
doum
20.
Horakoraka ny an'ny sahona fa tsiboiboika no tompon'ny rano
JMR
21.
Malaza tsy ihinanana toa vilian-tsahona
hery
22.
horakoraka ny an'ny sahona fa ny tsiboboka no tompon'ny rano
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0447