Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe salaka
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
salaka
Hampiditra ohabolana
1.
very salaka mitovy ka ny hisavasavana ny raviny hahitana ny fotony. (Zavona Rakoto)
ZavonaRakoto
2.
Lainga toahiny salaka ny tompony ihany afatony
andriamena45
3.
Mihanton-kariva hoatra ny salakan'Amboatany.
soanja
4.
Sikim-tsalaka mahay mandeha, sampin-kavanana mahay mihaingo.
soanja
5.
Lamba rongony fahan-kafotra ka isalakana, manaiki-balahana; itafiana, asampina vao miporotsaka.
soanja
6.
KELY MIAMBOZONA ADIDY OHATRY NY SALAKA KA MIZAKA NY TSY HERAN'NY AINA
dadou
7.
Mpanihika tsy misalaka, manome lavaka ho an'ny pirina.
01
8.
Toy ny salaka ny fanahy, ny tompony ihany no ho didininy
latina
9.
Ny atao toy ny salaka: soa atao, manodidina, ratsy atao manodidina
latina
10.
Ny teny toy ny salaka, soa atao mihodidina, ratsy atao mihodidina
faralisy
11.
Ny lainga toy ny salaka ka iray mihodidina iany
tia
12.
Ny teny toy ny salaka raha lava mandavo tompo
mahalafo
13.
ny teny toy ny salaka ka ny tompony ihany no afatony
nanette
14.
Salaka sy ravim-pitombenana: an-tsaha tsy mifandao, an-trano tsy mifanary
rlj
15.
Aza mandevin-tay an-tsalaka
JMR
16.
Raha ny mamba sy ny voay no miady, dia aoka hifandramatra; fa tsy salaka ho tapaka, ary tsy lamba ho rovitra.
jentilisa
17.
mifampiditra an-tanĂ na toy ny salaka sy vody
jazz666
18.
Ny lainga toy ny salaka ka ny tompony ihany no afatony
hanta77
19.
Ny atao toy ny salaka : soa atao, mihodidina; ratsy atao, mihodidina.
lanto
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.769