Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe takatr
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
takatr
Hampiditra ohabolana
1.
Ny takatra no nahavita trano ka ny vorondolo no mibohy
hery
2.
Bangon-takatra ka indray mikopaka dia vita
OZ16
3.
Fihavanan-takatra, ka ory miara mitokiky,faly miara mitokaka
yveratsimb
4.
Ao ihany ny takatra nihinana ny valala sy ny vano nitsaingoka ny sahona.
soanja
5.
Fihavanan-takatra ka ory miara-mitokiky, faly miara-mitokaka.
soanja
6.
Takatra mihomehy dangoro, tsy mahita ny ambany laikany.
aivetinakely
7.
Tia manandrana ka nahita ny loza tsy takatry ny saina.
aivetinakely
8.
Basin'ariary fito hoe ka tsy tian'ny manana kanefa tsy takatrin'ny mahantra.
sylvoalias
9.
Trano takatra ka izay mandrava azy mialoha no boka
niryna
10.
Ny takatra no fisa-doha, matory amorom-parihy, ny vano no lava tenda, maditra olom-pehezina, ny tsintsina no kely fingo, ny isandahy no tsy zaka.
aivetinakely
11.
Fihavanan-takatra, faly miara-mitokàka, malahelo miara-mitokiky
aivetinakely
12.
Fotsifotsy fanahy toa takatra, ka ny tain-kary avy no atao trano.
niryna
13.
Fotsifotsy fanahy toa takatra, ka ny tain-kary avy no atao trano.
latina
14.
Ny faniriana tsy takatry ny vintana
latina
15.
Ny takatra no fisa-doha, marary tsy misy mpanondana.
latina
16.
Takatra amorom-parihy tsy matory fa miery fanahy
Malalason
17.
-Antobavy milefa mahalegny;takatra izy nijanogno -Antoboavy mandihy aligny, izy koa tsy dadinao ialao
salim
18.
avo ny lanitra ka tsy takatro
doum
19.
Baingon'ilay takatra ka indray paoka de vita
doum
20.
Takatra amorom-parihy: tsy matory fa miero-panahy.
jentilisa
21.
Ny takatr no nahavita trano ka ny voron-dolo no mibohy
McFy
22.
Bala very foana toy ny bala natifi-takatra
McFy
23.
ny hevitry ny vitsy manodidina ny fatana fa ny hevitry ny maro mahatakatra ny lanitra
jentilisa
24.
Avo ny lanitra ka tsy takatro
jentilisa
25.
Ny faniriana tsy takatry ny vintana.
lanto
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0234