Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tompony
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tompony
Hampiditra ohabolana
1.
Anti-bavy nahandro sakafo, antanan'ny tompony!
Angonoka
2.
Mirenireny ohatran`ny alika tsisy tompony
RIJA08
3.
Mindrana angady fahavaratra ka maniraka ny tompony ho any antsaha
RIJA08
4.
Boka mangala-boatavo dia miandry ny tompony hanatatao.
Tokymnp
5.
Saro-devonina sahala ny tsaramaso tsy tsara masaka, manahirana ny tompony ary koa manahirana ny mpiara-monina.
tsiroa
6.
Boka nangala-boatavo ka miandry ny tompony hanatatao
varombo
7.
Lainga toahiny salaka ny tompony ihany afatony
andriamena45
8.
Takitrosa amin'andriana ka ny tompony indray no manambitamby.
aivetinakely
9.
Kibo mikoraraika: ny tompony no mahalala
yveratsimb
10.
Aza manao tompony, mangataka atiny
yveratsimb
11.
Ny teny toy ny zipon'ny tovovavy, lava mamafa lalana, fohy mampitanjaka ny tompony
yveratsimb
12.
Tsy vorodea ty fiay ,tsy hay ty tsy tompony
tatinatah
13.
Valalan 'alika ka ny tompony aza tsy tia.
niryna
14.
Manjora mitsilany ka miverina any amin'ny tompony
niryna
15.
orakoraka ny any saogna fa tsibobohika no tompony rano
andrebab
16.
Mitafy lamba imason'ny tompony.
soanja
17.
Misarebaka ny lamba indrana, ka nony tonga endahin'ny tompony.
soanja
18.
Tsakitsakin-jaza: tompony indraika izarana. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
19.
Sadika gny fagnahy : tompony my hodidigniny.
soanja
20.
Mipaoka imason'ny tompony toy ny voromahery.
soanja
21.
Fody lahy mena vary ka manandrana alohan'ny tompony.
soanja
22.
Vatolampy nanasan-dandy, ka ny lavenona lasan'ny rano, ny landy lasan'ny tompony.
soanja
23.
Fitia voazara, ny maharitra no tompony.
aivetinakely
24.
Alika mahia, sady tsy mahavita adidy no manala barĂ ka ny tompony
aivetinakely
25.
Ny mpamendrofendro no betsaka fa ny tompony mahazaka ihany
niryna
26.
boka mangala-boatavo ka miandry ny tompony hanatatao
Raherizo
27.
Ombimahia lavatandroka, tsy voninahitra ho an'ny tompony fa famenoana isa fotsiny.
aivetinakely
28.
Mitsoalatsoala tahaka ny kavina lava ka jejo alohan'ny tompony
aivetinakely
29.
Izay miteny lango eo imason'ny vary, mitafy lamba eo imason'ny tompony.
aivetinakely
30.
mindrana angady lohataona ka maniraka ny tompony hiasa
elyzo
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0185