Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tonga
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tonga
Hampiditra ohabolana
61.
Tonga ho azy toy ny vinanto tsy mahare-fosa
niryna
62.
Tonga namana vao mavomavo toy ny ranonan'ony.
niryna
63.
Raha misy ny setroka, misy ny hay trano.Tsy tonga ny ady raha tsy tonga ny mpitati-bolana
niryna
64.
Izay tonga taloha no tompon-tanindrazana
niryna
65.
Aza manao toy ny ranon'Ikopa, tonga namana vao mavomavo.
aivetinakely
66.
Raha tonga ny amalom-boasira, tsy manan-kavana afa-tsy ny maty.
aivetinakely
67.
Naniraka amalona hantsaka, afoizo fa tonga an-tanindrazany.
aivetinakely
68.
Izay tonga aloha mamira ny mahitsy, izay mandry aloha mamàna ny tsihy.
aivetinakely
69.
Dedaka tonga rafozana, akohokely ka indramam-pamaky.
aivetinakely
70.
Aza manao tahaka ny ranon'Ikopa, tonga namana vao mavomavo.
aivetinakely
71.
Tonga fa tsy tafiditra am-pahitra, toy ny omby noroahin-jaza
latina
72.
Faly raha tonga ny rano fanala kenda, raha malahelo ka misy mpanony, raha lavo ka misy mpanarina
latina
73.
Tsy misy mivavaka niankandrefana, fa samy nianavaratra ihany; fa ny harena mila vintana, ka raha tsy anjara, , tsy tonga.
latina
74.
Mpamosavy natakalo omby mahery: lasa ny loza, fa tonga ny atambo.
latina
75.
Hazakazaka volon-tratra ka izay tonga aloha volon-kibo
batita
76.
Ranon'i Betsiboka, tonga namana vao mavomavo.
RALANTO
77.
tonga tsy nasaina nasesiky ny razana
amina6
78.
boka mamonjy lanonana tonga ihany fa tsy isan'olona
jossy1
79.
Sandely Betania: tsy mandiny ela fa tonga de pan....
roscarb
80.
akoho kely lasam-papango tonga ambony vao tra-pahoriana
dadou
81.
Mitabataba tonga rafozana, atody akoho no laoka ka famaky no tadiavina
razooz
82.
Ny vola toy ny vahiny: tonga anio, lasa rahampitso.
jefra
83.
ny vola tsy mandry lalana toy ny rano : tonga anio, lasa rahampitso
zouzou
84.
ny vola toa ny vahiny : tonga anio, lasa rahampitso
zouzou
85.
Tsy mila hatotongana ny harona vao hatao hoe tsy misy.
ftma
86.
Vitsika nahazo valala, tonga ny entana fa ny vava no tsy omby
mandrindra
87.
rafozana tonga, salaka tapaka, ny ronona mandroatra
doum
88.
Tonga tsy miarahaba naman'ny tezitra lasa tsy manao veloma naman'ny sosotra
doum
89.
Aza manao tahaka an'Ikopa, tonga namana vao mavomavo
doum
90.
Aza tia torimaso fa ndrao hotonga malahelo
doum
1
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0179