Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe zanak
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
zanak
Hampiditra ohabolana
1.
Ny reny tsy mahafoy zanaka fa ny zanaka mahafoy reny. ka raha lasa reny hianao ?
niryna
2.
Zanak'ondry mifatotra amoro-ketsa, fararanon'ny maso fa tsy fararanon'ny kibo.
Jj190263
3.
Zanaky ny efa mangotraka,tsy matahotry ny hangorovitsika.
Ny_Arlinah
4.
Sanganehana tahaka ny ondry nanambady alika, ny vody lisaka nefa ny zanaka tsy hanahaka.
Bouba_lova
5.
Raha zanaka tsy hanaja ray aman-dreny, miteraha hahita
OZ16
6.
Hovalahy maty zanaka,ka sira no hamoizana azy
Jemmy
7.
Raha zanaka tsy laitra hanarina, miteraha haita
kels
8.
aleo very solonify toy izay very solomaso,aleo very vady toy izay very zanaka
Hasnfan
9.
Manao zanaka anaty fo maharary
yveratsimb
10.
Manao zanaky ny mpisikidy ka tsy mba ho faty, na zanaky ny mpanefy ka tsy ho may
yveratsimb
11.
Voanemba mitsipika anjoron-trano ny zanaka manam-bady havana ,tsy very fa miharo amin'ny namany.
aivetinakely
12.
Zanak'omby masiaka ,tsy matahotra an-dreniny
niryna
13.
"Samy zanaka mpanefy ka tsy hifampidera taim-by"
mpoon
14.
Zanaka tiana, tsy itsitsiana ratsan-kazo
walte
15.
Zanaka sy ray aman-dreny, tambazako izay mahafoy.
aivetinakely
16.
Manao zanaky ny mpisikidy ka tsy mba ho faty na ny zanaky ny mpanefy ka tsy ho may
niryna
17.
Rafozan-tsarotiny ka ny zanaka no misolo vady isam-bolana.
aivetinakely
18.
Zanak'olona tsy vadina toa soa.
aivetinakely
19.
Vidin-dafo tahaka ny zanaky ny mpanana, saingy mora ariana rehefa nandiso fanantenàna.
aivetinakely
20.
Jamba miteraka zanaka tsara, ka tantarao ahy ny toe-tr'endriny.
aivetinakely
21.
Ny zanaka toy ny tanan'akanjo:atsipy, eo an-damosina;asavily ao an-damosina ihany
niryna
22.
Malaza ho zanak'andriana nefa tsy mbola niaka-drova.
ontsy
23.
ny zanaka mahafoy ray aman-dreny fa ny ray aman-dreny tsy mahafoy zanaka
mnm
24.
aza manao zanaka anaty fo marary
mnm
25.
Tojo ny amalona be menaka hoe ka tsy mahalala zanaka amam-para, ka rehefa kenda dia hoe dony kely aho ranaotra
sylvoalias
26.
Ny zanaka tiana no hanarina
niryna
27.
Ny heloky ny ray tsy mba heloky ny zanaka
niryna
28.
Zanaka tokana an-trano ka raha tsy maty voky, maty noana
niryna
29.
Ny eloky ny ray tsy ba eloky ny zanaka
niryna
30.
Fa anatra tsara omeko anareo, aza mahafoy ny lalako fa zanak'ikaky aho sady tiana no hany malala teo imason'i neny
niryna
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0279