Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
valala
Hampiditra ohabolana
-29.
Ny valala tsy azo raha tsy andriana ilika
OZ16
-28.
Valala iray aza ifanapahana
OZ16
-27.
Ny valala vôna agn'Isandra ko agnareo fa miady fagnendezana
OZ16
-26.
Mifampitsipaka toy ny valala an-karona,ny tafakatra indray no itsahina
sylvoalias
-25.
Maro ny valala fa ny ambolo no tsara soratra, maro ny omby fa ny sada no meva.
soanja
-24.
Tampontampoin'ny manambady Raketaka ka misambo-balala hariva.
soanja
-23.
Zana-valalagna tsy adigno lanitra. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
-22.
Tsintsina nahazo sompanga, ka ny kibo hasiana no tsy misy.
soanja
-21.
Tsingaradona an-tanimena ka tsy matavy fa sesiky ny tsinainy.
soanja
-20.
Ambolo bitaka, ambolo matavy, zava-tsy hay tsy ibitabitahana.
soanja
-19.
Misambom-balala ho anjanak'olona.
soanja
-18.
Tsy mba sompanga miantendro vero fa tsimbotry mandady amin'ny tany.
soanja
-17.
Adala toa valalan'amboa, mitsipika mandrak'antitra.
aivetinakely
-16.
Valala akaiky fahafatesana ka ny mianika bozaka sisa fomban-drazana.
aivetinakely
-15.
Loham-balala, tsy misy hanarahana azy fa tainy avokoa.
aivetinakely
-14.
May tratra tahaka ny valala nitanin'andro ambony vato, ny sisa no tandremana.
aivetinakely
-13.
Manao loham-balala ka misarika ny tainy.
aivetinakely
-12.
Valala mitafa ambony vato, ny kibo may, ny resaka tsy azo.
aivetinakely
-11.
Aza manao vatam-balala ka miharo ihany ny lohany sy tainy.
aivetinakely
-10.
Tsibotry isika naraka ihany ka adrisa indray ve vao hifanary.
aivetinakely
-9.
Aza manao toy ny valalan'amboa ka na efa antitra aza mitsipika ihany.
aivetinakely
-8.
Lany fika toy ny banga mitsako valala, haloa: moa ny raha matsiro, hatelina : matahotra sao kenda.
sylvoalias
-7.
Mirorio toy ny valala an-karona.
ilanto
-6.
Valala tsy an-tànana tsy atolo-jaza.
aivetinakely
-5.
Sambo-balala main'andro, ny tsy azoko androany, hoazoko rahampitso.
aivetinakely
-4.
Manao fatim-balala ka maty mamikitra bozaka irery
aivetinakely
-3.
Matin-drobon'ny adrisa, ka fola-pen'ny aketalahy
latina
-2.
Zana-balala tsy mahatratra ny lanitra
latina
-1.
Ny valala tsy in-droa mandry am-bavahady
latina
0.
valala manidina ka asiana sira
herikely
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0709