Ohabolana nampidirin'i itaramasoandro

Search ohabolana
Mampiseho ny -1 - 18 amin'ny 18
# Daty Ohabolana Nampiditra
18 30/09/11 tsikovo-drano, foza voatango: lalina fisaina fa ho ritra ny rano. itaramasoandro
17 30/09/11 valala ela nanidina folak’elatra: raha mahafoy ahy mba foiko. itaramasoandro
16 30/09/11 fitia miara-maniry, ka raha lany ny anao dia lany koa ny azy. itaramasoandro
15 30/09/11 raha tanora tsy ho jejo dia aleo maty ho razana. itaramasoandro
14 30/09/11 indrindra hiseo ihany dia mananety; fa indrindra raha tsy hiseo ihany, dia aleo mitoto-bozaka. itaramasoandro
13 30/09/11 raha eken-drabevoha aza, raha tsy eken-drafara tsy tapaka. itaramasoandro
12 30/09/11 marary manetsa; mifidy na hantsaka na haka kitay. itaramasoandro
11 30/09/11 sitry mahay vato, osy mahay harana. itaramasoandro
10 30/09/11 aza mikiraro ambony kitay, ka manao laniala am-pisoronan’afo. itaramasoandro
9 30/09/11 trafo-kena ome-mahery: am-bava homana, am-po mieritreritra. itaramasoandro
8 30/09/11 toy ny mason’ny mpandrary: mijery ny an-kazony, mandinika ny andalan-drambony. itaramasoandro
7 30/09/11 raha mararin-teny, aza mitakarina. itaramasoandro
6 30/09/11 akoholahy mitelin-koto: raha mahay mitelina dia tohan’aina; raha tsy mahay mitelina, dia singotry ny lela. itaramasoandro
5 30/09/11 izay manoro làlana mahitsy, mamindra aina. itaramasoandro
4 30/09/11 angamenavava ka samy mitsilo ny alehany. itaramasoandro
3 25/09/11 ny saina toy ny havitra: koa raha tsotra loatra, tsy mitondra; ary raha melo-doatra, mipaoka izay tsy hopaohina. itaramasoandro
2 25/09/11 aza manao masoandro avy atsinana ka ny avo ihany no taingenana; fa manaova masoandro avy andrefana ka izay mivoha tsidihana avokoa. itaramasoandro
1 25/09/11 tsy misy mateza milevina hoatra ny voalavo, fa raha mitranga izy dia hanin'ny saka. itaramasoandro