Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
3991.
Kely tratry ny sarotra ohatra ny misao-bady tezitra
latina
3992.
tsy mba fanambadian-kalaina fa avy ho azy toy ny torimaso
latina
3993.
Raha fanambadian-tsy ho vanona, aleo mody hamelon-jaza
latina
3994.
aza lozabe manan'anaka sao tsy manan-dray ny zaza.
latina
3995.
Matahotra ny hisaorana ianao ka mitady ny fanotrehan'atody
latina
3996.
Valala ela nanidinana folak'elatra: raha mahafoy ahy mba foiko
latina
3997.
Fara-vady anadahy
latina
3998.
Rangahy nangolangolaim-bady kely ka nanary ny efa nihary
latina
3999.
Iray trano fa tsy iray raharaha toa mpirafy
latina
4000.
Ny varotra toy ny fanambadiana, ka raha tsy raikitra misaraka ihany.
latina
4001.
fitia miara-maniry, ka raha lany ny anao dia lany koa ny ahy
latina
4002.
Ny fitia toy ny ketsa, ka raha afindra dia maniry
latina
4003.
Raivo tsy hety hirafy, Rafara hisesika ihany.
latina
4004.
Mirehaka amin'ny be tsy hananana, toa ny vadikelin'Antananarivo
latina
4005.
Vady hariana be tsiny, zanak'olon-tsy vadiana toa soa, tsy rafozana toa bohaka
latina
4006.
Raha eken-dRabevoho aza, raha tsy eken-dRafara tsy tapaka.
latina
4007.
aza ny vady an-trano no atao tsy ho zavatra, fa izay mihaingo tsara avokoa
latina
4008.
Mpitovo mananatra ny mpanambady, ka hendry tsy manan-ko an-tena.
latina
4009.
Saro-po manan-tokana, ka tsy manan-droa hamolahana
latina
4010.
Mitranga matetika ohatra ny fifandiran'ny mpivady
latina
4011.
aza misorom-bady an-trano fa ny tena ihany n ho trany
latina
4012.
Miady maraina, tsara hariva; miady hariva, tsara maraina, toy ny mpivady
latina
4013.
tsy ny donak'afo no mahafana ny trano, fa ny mpivady mifanara-draharaha
latina
4014.
aza tsy tia vady, fa tsy ny voalohany no vady, fa ny farany
latina
4015.
aleo adala tena toy izay adala renianaka
latina
4016.
aza mitsiriri-bady voky
latina
4017.
toy ny reni-hao, ny vavy indray no malaza.
latina
4018.
Ny tokantrano tsy ary mitovy
latina
4019.
Izay manjo vady, manjo tena
latina
4020.
tiam-bady ka mahay miresaka
latina
Voalohany
Mialoha
132
133
134
135
136
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0381