Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
3901.
Vary vokatr'ibetsimitatatra, ka na tompony na tsy tompony samy mitazana avokoa.
niryna
3902.
Fatra pitady izay tany tsy misy fasana ka sendra izay mihinana olona
niryna
3903.
Maimay hivady ka dodona hisaraka.
niryna
3904.
Tsy mena-tsy tana toa lakan-jejo
niryna
3905.
Menatra ny efa nisaraka ka mitsanga-miankina ihany.
niryna
3906.
Raha tiana ny vady, ny rafozana no tsinjovy manefitra
niryna
3907.
Toy ny voatavo tsy mifandraka, fa zazabodo
niryna
3908.
Tsy mety raha miala maina toy ny mandevina amboa.
niryna
3909.
Very an-trano toa fanjaitra.
niryna
3910.
Toy ny rivotra an-kadilalana;ny ho avy avy, ary ny tsy avy misesika ihany.
niryna
3911.
Ny vato natao hiafenana no namosaka antsoro maina.
niryna
3912.
Ny eo an-tratra tsy lavo, miantso avia lehiroa
jlambout
3913.
Manao fihavana-molotra, tezitra vao mifanatona
jlambout
3914.
sola be mangery amin, ny andro diavolana, tsy fantatra ny lohany sy ny vodiny.
samson
3915.
Aza mitomany ny randrana manendrika ny hafa
niryna
3916.
Angady tokana;raha tapaka tsy misy hanakambanana azy indray.
niryna
3917.
Izy main'ny afo natsangany.
niryna
3918.
Aza manao toy ny andevolahy mahay valiha; asaina manao tsy mety; noho ny tsy irahina, manao.
niryna
3919.
Na maro aza ny vorona ny goaika no nihinana ny voanjo.
niryna
3920.
Varatra tsy indroa miriatra
niryna
3921.
Aza manao vorona azon'adala ;ka na tsy maty aza, mifohafoha volo.
niryna
3922.
Mifankatia tsy mifamarafara, ady no farany.
niryna
3923.
Mpandrava hefa toa voalavo.
niryna
3924.
Ny olombelona toy ny omby;indray mandry fa tsy indray mifoha.
niryna
3925.
Ny olona mora soa sy mora ratsy.
niryna
3926.
Tsy mba ny rambony hanamavo ny vodiny aho fa ny lelany hanamandona ny trafony.
niryna
3927.
Mila dera amin'ny amboa ka taolana maina no iambozonana
felana
3928.
Adin'ny mpirahalahy ka izay mahavita be no manenina.
lanto
3929.
Ny tarehy ratsy tsy azo hovana fa ny fanahy ratsy kosa azo ovana
niryna
3930.
Aza be siasia toy ny amalona andrano.
niryna
Voalohany
Mialoha
129
130
131
132
133
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0275