Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
481.
Ny tanin'andriana aza onenana ka ny satany ve no tsy harahina
OZ16
482.
Mpifankatia tsy miresaka, lany androantokom-pitiavana
OZ16
483.
Tanora ratsy fihary ka maka kitay fotsy volo
OZ16
484.
Vitsika momba kitay ka harivariva an-tanin'olona
OZ16
485.
Vorondolo nitera-boromanga
OZ16
486.
Aza manao fira hazo am-pihaviana
OZ16
487.
Foto-kazo sy vorona ka izay tia manatona
OZ16
488.
Tsa misy raha te ho anao fa agnao ro te hanagn'azy
OZ16
489.
Valala iray aza ifanapahana
OZ16
490.
Ny valala vôna agn'Isandra ko agnareo fa miady fagnendezana
OZ16
491.
Tsa metimety ny fo mpisy vary leky ny sonjo feno fatagna
OZ16
492.
Tsy misy tanora tsy nijoro fa rehefa antitra miady lohalika
OZ16
493.
Ny tarehy no ratsy ka ny volo no aolangolana
OZ16
494.
Mpamosavy miana-draharaha ka ny ao an-trano ihany no lanahana
OZ16
495.
Tambatambazina ny mpamosavy hamelomana anaka
OZ16
496.
Mpirahalahy mianala, ianao tokiko izaho tokinao
OZ16
497.
Mijery fahoriana toy ny boka mitaratra
OZ16
498.
Mifanaratsy an-toerana toy ny bokan'i Leagna
OZ16
499.
Maimaika toy ny boka hanambady
OZ16
500.
Boka misaka foza, ny natao handoatra koa vao maika namatratra
OZ16
501.
Manasa vahiny tsy avy hihinagna, sady vôky no afaka adidy
OZ16
502.
Tonga dia vonona ohatra ny totohondrim-boka
OZ16
503.
boka nangarom-pantsankana, tsy hetaheta fa ankaso
OZ16
504.
Vahiny vôky, tsy iharagna angady
OZ16
505.
Aza mba toy ny akoho fahanana: izay anipazana hanina endrehina daholo
ginyellow8
506.
akoholahy mikokokoko akohovavy,tsy hanina havoky fa voninahitra ifanomezana
heriy
507.
vazivazy ray andalana,miandrovazo laividalana
heriy
508.
mpajono no tompon'ny trondro,fa ny anglisy no tompon'ny tafondro
heriy
509.
dedaka ohatra ny saka mangery tay totofona nefa, vody tsy voafitra
heriy
510.
Matavy miady, ny mamely tsemboka, ny asiana tsemboka
hery
Voalohany
Mialoha
15
16
17
18
19
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0308