Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
541.
Aza manasakaiza vahiny
sylvianna
542.
Aza manao fihavana-molotra:tezitra vao mifanatona.
sylvianna
543.
Aza manao fitia rano trambo:be fihavy, ka mora lasa.
sylvianna
544.
Aza mitaitay toy ny fitia tsy ho ela.
sylvianna
545.
Ataovy fitian-dranon'erika:madini-pihavy fa mahatondra-drano.
sylvianna
546.
Ataovy fitia voampo:mbola lavitra ihany dia ampoizina.
sylvianna
547.
Mandreran-tena otran'ny alika manenjika môto
Rafalimanantsoa
548.
Voreke ty to, tsy ambara longo
vorihery
549.
Zafe magnana-draza: anara ndra mahilala, toroa ndra mahihitse
vorihery
550.
tsy ringitse ty be raza, tsy tsontsa ty managnila
vorihery
551.
Maha latsa ahy ty akoho tsy mitsako ro toro tay!
vorihery
552.
Valimasay, valiegne an-katea ; valibey, valiegne an-tahotse
vorihery
553.
Ndre miriorio ty tsiriry, anosim-borogne agne avao ty tane'e
vorihery
554.
Laron-tsarete ty havelo
vorihery
555.
Gorogoro ty fiay, tsy hay ty tsy tompo'é
vorihery
556.
"Fitia iray lainga ka aina no fetra; fitia lamban'akoho ka faty no hisarahana".
ragotso
557.
"Banga mihinan-kitoza, tsiro no notadiavina kanjo ny hivy no raraka".
ragotso
558.
mandry aloha tsy mirirana
ranicks
559.
Aza atao fitia rora-paraky,Tiana ihany ka tsy hatelina.
falinafs
560.
Aza atao toy ny fihavanam-bato ny fihavanana,fa ataovy toy fihavanan-kazo,ka raha tapaka ary azo hatoy.
falinafs
561.
''Ny fiainana toy ny kodiaran-tsarety miodina dia miverina''
Joda400
562.
Tsy ambony tsy ambany ohatran'ny lohalik'alika
kels
563.
Raha zanaka tsy laitra hanarina, miteraha haita
kels
564.
Omby lahy nanonto vatolampy ka bory tandroka amin'ny adalany
kels
565.
zaodahy tsy mba havana
SYLLA8
566.
Tsa ny amalogna ho haza fa ny tagnana mifandray.
SYLLA8
567.
Tanindrazan'ilay jamba , ka izay diavin'ny tongotra tanindrazana avokoa
eulalie15
568.
Nahoana no mihazakazaka tratry ny miadana
nestorktv
569.
Ombilahy tsara feo, ka ny vavany no mahalafo azy
nestorktv
570.
Bevohoka ratsian-kena ka manaikitra omby am-pitsanganana
rabesao
Voalohany
Mialoha
17
18
19
20
21
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0238