Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
601.
Safàn'olobe renin-tantely: tsy mipetraky laha tsy an-dravinkazo
Longonao
602.
Fa tsy any tsika hoy Retsotake
Longonao
603.
Vola volambolagny, hena mandrekitsy an-kỳ; ndre atao mamy gny tantely, lakolako gny sỳ
Longonao
604.
Tanora izaho fotoana tsy tohiny tanora fahiny
andriamena45
605.
Lainga toahiny salaka ny tompony ihany afatony
andriamena45
606.
Didifolo Andriamanitra tokony ekena sy hakatoavina fa didi olombelona tokony hifanaraka didi Andriamanitra
andriamena45
607.
Ny tanora matanjaka fa ny antitra osa
andriamena45
608.
Antananarivo tsy voatery ifakafatatra daholo afatsy mifanerasera matetika
andriamena45
609.
Ny lahy tsy mba vavy ny vavy tsy mba lahy
andriamena45
610.
Ny lahy samy lahy na vavy samy vavy tsy mahazo miray ara nofo na mpiavana na mpiraitampoha fa ny mpivady ihany no afaka miray aranofo vita mariazy sy vita soratra arampanjakana
andriamena45
611.
Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina ka mitandrema
andriamena45
612.
Lasa ny mpivaro-tena vao manangona fimailo.
seul110
613.
Zavatra hahafaty tsy mba ambara vady.
seul110
614.
Ataovy tsy rem-bitsiky tsy ren-kalalao.
seul110
615.
Ny vola miteraka havana fa ny havana mandany vola.
seul110
616.
Mangarik'olona tsy fidiny toy ny sima sy njola.
seul110
617.
Raha torimaso tsy taitran'ny amponga, fohazy ihany sao nodimandry.
seul110
618.
Zaza mivalana am-pandriana, mahavoa Ray mahavoa Reny.
seul110
619.
Ny fanambadiana tahaka ny jiafotsy vao tsy araha kasokasoka tonta tsy arahan-dromoromo
kemjhi
620.
Aingaingao rey volom-body fa ny elatra hanidinana no tsy misy.
BEDOGAIGY
621.
Aingaingain-kazera sahala amin' ny famono vato.
BEDOGAIGY
622.
Adala ny manina ka ny tompo-bady no hafarana.
BEDOGAIGY
623.
Aingaingain-kazera, toy ny fively fandraka.
BEDOGAIGY
624.
Aina ity hoy Rainimanonja.
BEDOGAIGY
625.
Ahoana no reraka am-pototry ny sompitra?
BEDOGAIGY
626.
Ahoana izany? hoy Ramarenina, kanjo tsy mba nandre izy.
BEDOGAIGY
627.
Ahitra no nanafintohina, ka ny tokonana no haetry!
BEDOGAIGY
628.
Afo lavitra tsy azo amindroana.
BEDOGAIGY
629.
Afoizo aho raiko tsy hiasa, hoy ny taim-piraka.
BEDOGAIGY
630.
Afatotra maninton-tady, ampandehanina tsy afaka.
BEDOGAIGY
Voalohany
Mialoha
19
20
21
22
23
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.014