Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
691.
Haren-dany tsy manitra intsony
aivetinakely
692.
Mitovy tanjaka otran ny tongotr alika ka tsy fantatra izay tena mahery.
niaina07
693.
Ankatso sy Ambohidepona hono no mifankahita fa tsy mba miresaka, mifampitazana tsy mba mitafa, ny maraina mifampilongilongy ny hariva mifanakona aloka.
aivetinakely
694.
Na ho lasa aza moa ny ririnina , ny zaza tsy teraka tsy azo foraina.
aivetinakely
695.
Fohy mamonjy lanonana ka rehefa rava vao hita.
aivetinakely
696.
"Izay nakamban'Andriamanitra aoka tsy ho sarahin'olombelona"
MATOKYAH
697.
Lanilany fahatany ohatran'ny volan'ny mpisotro toaka
MATOKYAH
698.
"Naniry zaza ka tera_dahy"
MATOKYAH
699.
"Zaza nilaozan_tsakaiza ka milalao vovoka irery"
MATOKYAH
700.
Mpamosavy malemy ka ny ao an_trano indray no haripaka
MATOKYAH
701.
"Tsara ny roa nohon'ny iray, ny hevitry ny maro mahataka_davitra"
MATOKYAH
702.
"Ny fikasana antsika olombelona fa ny lahatra dia an'Andriamanitra"
MATOKYAH
703.
"Loharano tsy tetezin_doha, ny mita be tsy lanin'ny mamba"
MATOKYAH
704.
"Izay mahavangivangy tia havana, ny hava_tiana tsy vangia_matetika"
MATOKYAH
705.
Toy ny ondry mirao-bilona ka izay tratry ny tady no anaranana fo
aivetinakely
706.
Ataovy toy ny volana ny fiarahabana ka raha tsy fenomanana tsy ajanona
aivetinakely
707.
"Boka misaka foza ka vao mainka manesika azy ao an_davaka"
MATOKYAH
708.
"Tanora ratsy fihary, antitra vao ratsy laoka"
MATOKYAH
709.
"Firaisan_kina no hery, izay mitambatra vato ary izay misaraka fasika"
MATOKYAH
710.
"Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy"
MATOKYAH
711.
Tapa-tenda ohatra ny mpampiasa jiro tsy nahaloa vola.
oely89
712.
Mpiatsara ivelatsihy mody madio ohatra ny ranon'i Masay.
oely89
713.
Andriana mifamofo amin'andevo ka maniry midina toa volo-kelika
oely89
714.
Amboa mivahiny an-tany tsy fantatra, tonga tsy misy mpitsena, lasa tsy misy mpanatitra, atoandro tsy misy mpangoraka, harivariva misy mitoraka.
oely89
715.
Aim-bery foana ohatra ny mitory mpanam-boly amin'ny fitsarana.
oely89
716.
Saro-tiavina ohatran'ny pô, amanizana vao velon-kira
bolena
717.
Aleo ratsy feno fahatsarana toy izay tsara feno faharatsiana.
tmjjah
718.
Midonaka tsy narehitra toy ny fakon' Andralanitra
dahfara
719.
Midonaka tsisy nandrehitra toy ny fakon' Andralanitra
dahfara
720.
Vendrana mihoaka,kenda vomanga nasesiky ny tanany.
RAP-ANGE
Voalohany
Mialoha
22
23
24
25
26
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0161