Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
631.
Izay tsy mahay sobika mahay fatram bary
jonathan2015
632.
Matokitena ho be vavavody ka mitelina vonina zavoka
POETA
633.
Boka mihinan-kitoza: ny fihinanana dia lavorary, fa ny manala kaka no ady mafana.
9999
634.
Boka nangala-boatavo ka miandry ny tompony hanatatao
varombo
635.
Nidiran-doza ohatrany sinoa nenjehin' alika, ka ny sakafo indray no andosirana
andry 1000
636.
Aza velarina eny amorondalana ny fitiavana fa hitsakitsahin'ny mpandalo
njrtkr
637.
Dedaka tonga rafozana,akoho vonoina ka indramam-pamaky
tsiresinirina
638.
Aleo mihaona amin'ny mpamosavy toy izay mihaona amin'ny mpandainga
mychael
639.
Ny marina mitavozavoza resin'ny lainga tsara lahatra
thoto
640.
vava soa ,ny teny ratsy adidy
vatofisaka
641.
ny tsy tia tsy hilaza tsara
imr'on ji
642.
Mivanivany toy ny alika mitsena voatira
maier
643.
Nahoana manao amin'ny jamba hoe, jereo amin'ny maso tsy miangatra, na amin'ny moana hoe, ento ny resaka fa ianao no zokiny.
Rakotoaly
644.
Tifi-danitra,nahavoa,tany, tratry,ny, tsy,nampoizina
ralovasong
645.
Sarotra entina toy ny rafoza be tsiny,omena ny manta tsy omby vilany,omena ny masaka sisa tsy lany.
fitahia
646.
Sarotra entina toy ny rafoza. be tsiny,ome.na ny manta tsy omby vilany,omena ny masaka sisa tsy lany.
fitahia
647.
sandry be tsy hery,fahatanorana tsy ody faty
Vatonomena
648.
Tafo tranon-reny tsy ambinina, Zanahary manafo ny ialany,izy manafo ny ilany
Nyavorakoto
649.
Ratsy vintana toy ny saka,ka be vohoka vao ato hoe mamosavy
Nyavorakoto
650.
Raha nisakana Ikopa, raha nisakana i Mananara, tsy hary i Betsiboka.
Rakotoaly
651.
Mihinana am-bolony toy ny Malagasy voatamby, handeha hifidy.
Rakotoaly
652.
Mahantra raha samy olombelona toy ny malagasy, velona ianjadian’ny fahoriana, maty very taolam-balo.
Rakotoaly
653.
ny omby no matin'ny taviny,ny hazo no matin'ny hitsiny
Nyavorakoto
654.
ny marina toy ny vato am-balam-parihy raha tsy hitan'ny angady lohataona,hitan'ny antsy raha fararano
Nyavorakoto
655.
omby mahia be tandroka ka mizaka ny tsy eran'ny aina
Nyavorakoto
656.
Lany andro toy ny hendry mananatra adala
Rakotoaly
657.
Jamba manao diamanga, ka ny rivotra no maty daka
Rakotoaly
658.
Fisaka ny to,malama ny marina
tixy14
659.
"Aza diso mahihitra ka hanjaitra atody sy hitetika parasy"
aivetinakely
660.
Ze mania firĂ n-dambo
Longonao
Voalohany
Mialoha
20
21
22
23
24
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.013