Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
661.
Tandrimorimo ty maola mahavoa ty mahihitsy
Longonao
662.
Tsy atoro fa hita hoe bay an-kandry
Longonao
663.
Ka miola soafitaky hoe hỳ, ka magnehi-dolohazy hoe hao
Longonao
664.
Tsongò fonao, bideno ty an'olo; marary anao, manilok'olo
Longonao
665.
Roso aloha ze meky
Longonao
666.
Kibaroa tsy atrosa
Longonao
667.
Ka manao tana mahay vata
Longonao
668.
Safàn'olobe renin-tantely: tsy mipetraky laha tsy an-dravinkazo
Longonao
669.
Fa tsy any tsika hoy Retsotake
Longonao
670.
Vola volambolagny, hena mandrekitsy an-kỳ; ndre atao mamy gny tantely, lakolako gny sỳ
Longonao
671.
Tanora izaho fotoana tsy tohiny tanora fahiny
andriamena45
672.
Lainga toahiny salaka ny tompony ihany afatony
andriamena45
673.
Didifolo Andriamanitra tokony ekena sy hakatoavina fa didi olombelona tokony hifanaraka didi Andriamanitra
andriamena45
674.
Ny tanora matanjaka fa ny antitra osa
andriamena45
675.
Antananarivo tsy voatery ifakafatatra daholo afatsy mifanerasera matetika
andriamena45
676.
Ny lahy tsy mba vavy ny vavy tsy mba lahy
andriamena45
677.
Ny lahy samy lahy na vavy samy vavy tsy mahazo miray ara nofo na mpiavana na mpiraitampoha fa ny mpivady ihany no afaka miray aranofo vita mariazy sy vita soratra arampanjakana
andriamena45
678.
Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina ka mitandrema
andriamena45
679.
Lasa ny mpivaro-tena vao manangona fimailo.
seul110
680.
Zavatra hahafaty tsy mba ambara vady.
seul110
681.
Ataovy tsy rem-bitsiky tsy ren-kalalao.
seul110
682.
Ny vola miteraka havana fa ny havana mandany vola.
seul110
683.
Mangarik'olona tsy fidiny toy ny sima sy njola.
seul110
684.
Raha torimaso tsy taitran'ny amponga, fohazy ihany sao nodimandry.
seul110
685.
Zaza mivalana am-pandriana, mahavoa Ray mahavoa Reny.
seul110
686.
Ny fanambadiana tahaka ny jiafotsy vao tsy araha kasokasoka tonta tsy arahan-dromoromo
kemjhi
687.
Aingaingao rey volom-body fa ny elatra hanidinana no tsy misy.
BEDOGAIGY
688.
Aingaingain-kazera sahala amin' ny famono vato.
BEDOGAIGY
689.
Adala ny manina ka ny tompo-bady no hafarana.
BEDOGAIGY
690.
Aingaingain-kazera, toy ny fively fandraka.
BEDOGAIGY
Voalohany
Mialoha
21
22
23
24
25
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0133