Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
391.
Raha olona iray no tsy tia, mitotoa koba hatavy
OZ16
392.
Rafotsibe leom-boananana ka tsy te hahita zava-boribory mainty
OZ16
393.
Rafotsibe leon-tsokina ka tsy te hahita vodi-kifafa
OZ16
394.
Bangon-takatra ka indray mikopaka dia vita
OZ16
395.
Gny vorom-potsy tsy lavits'agnomby
OZ16
396.
Ny valala tsy azo raha tsy andriana ilika
OZ16
397.
Mitaiintaina toa sobakaka ambodiriana
OZ16
398.
Ny hendry no anarina, ny mahalala no atoro
OZ16
399.
ny heloka ibabohana mody rariny
OZ16
400.
Manan-joky afaka olan-teny, manan-jandry afaka olan'entana
OZ16
401.
Gny nahalava moko gn'akanga dra gny mitao
OZ16
402.
Raha zanaka tsy hanaja ray aman-dreny, miteraha hahita
OZ16
403.
Ny kibo voky no vady manohana
OZ16
404.
Tsy ampy tsy lany toy ny sola vaohina
OZ16
405.
Izay mitovy ro milambagna
OZ16
406.
Raha maty aho, matesa rahavana, raha maty rahavana, matesa ny omby
OZ16
407.
Akoholahy mikohokoho vavy, tsy hanin-kahavoky fa voninahitra ifanomezana
OZ16
408.
Tsa mahalala ny poketra misy vola fa ny dangon-tsakay ro atao an-kelika
OZ16
409.
Ny tsa tea ro miedika
OZ16
410.
Ny ômby hena, ny vola taratasy, ny tanimbary fotaka fa ny ona ro ona
OZ16
411.
Izay to fo mpamosavy
OZ16
412.
Adin'ombalahin'ny mpianakavy ka izay mandresy tsy hobiana ary izay resy tsy akoraina
OZ16
413.
Ny tanin'andriana aza onenana ka ny satany ve no tsy harahina
OZ16
414.
Mpifankatia tsy miresaka, lany androantokom-pitiavana
OZ16
415.
Tanora ratsy fihary ka maka kitay fotsy volo
OZ16
416.
Vitsika momba kitay ka harivariva an-tanin'olona
OZ16
417.
Vorondolo nitera-boromanga
OZ16
418.
Aza manao fira hazo am-pihaviana
OZ16
419.
Foto-kazo sy vorona ka izay tia manatona
OZ16
420.
Tsa misy raha te ho anao fa agnao ro te hanagn'azy
OZ16
Voalohany
Mialoha
12
13
14
15
16
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0125