Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
5971.
Akoholahy mikohokoho akohovavy, tsy hanin-kahavoky fa voninahitra ifanomezana
jentilisa
5972.
Sarotra omem-boninahitra tahaka ny mandady hajaina
jentilisa
5973.
lamba fotsy halan'arina
jentilisa
5974.
ny zanak'omby tsy ampianarin-domano.
jentilisa
5975.
ny feno tsy mba mikobana
jentilisa
5976.
Volamena latska am-bovoka, tsy avelan'ny soa tsy hihiratra
jentilisa
5977.
Voninkazo manitra anaty ahitra, hosihosena vao mamerovero
jentilisa
5978.
Aza manao an'i Laborde tsy ho vazaha
jentilisa
5979.
vero taingenam-pody, tsy folaka fa mandefitra
jentilisa
5980.
Jamba mifampitarika, any an-kady no iafarany
jentilisa
5981.
Mpivaro-drano tratr'orana ka voan'ny asa fanaony
jentilisa
5982.
angady ondry sy reniakoho, izay mananda no resy
jentilisa
5983.
Aza mivarotra saka be loha
jentilisa
5984.
Kary mihomehy vorondolo ka ny mandady indray no mihomehy manidina
jentilisa
5985.
Maty vao manakora toy ny endi-katsaka
jentilisa
5986.
Mpitovo mananatra ny manana, hendry ka tsy manan-ko an'ny tena
jentilisa
5987.
Samy zanaky ny mpanefa ka tsy hifampidera taim-by.
jentilisa
5988.
Mireheka amin'ny be tsy anananana tahaka ny vadikelin'Antananarivo
jentilisa
5989.
Ny tarehy no ratsy ka ny volo no aolanaolana
jentilisa
5990.
Aza mitomany randrana manendrika ny hafa
jentilisa
5991.
Donak'afon'Analakely: avy hatrany dia any am-bovonana
jentilisa
5992.
Aza miavo-tsy feno toa tain-delo: mbola tsy feno ka efa manamorona
jentilisa
5993.
Aza mandidy alohan'Andriamanitra tahaka ny olona mampanotrika atodiakoho ka manao hoe ity kokolahy ity kokovavy.
jentilisa
5994.
tondro tokana tsy mahazo hao.
jentilisa
5995.
mpamosavy milevina amoron-dalana ka mahatantesa valin-kitsaka
jentilisa
5996.
Miriorio foana ny angidina fa any an-kady ihany no iafarany.
jentilisa
5997.
manao azy tsy ho tratry ny aloka ka tratry ny alok'akoho.
jentilisa
5998.
misao-bady tanora ka manome zara ny sasany
jentilisa
5999.
Jamba mamono vady ka:aiza ho aizan'iny itena? raha voan'izay tsy misy taolan-kalevina
jentilisa
6000.
Soro-baton'ilay jamba, voa vao mihilana
jentilisa
Voalohany
Mialoha
198
199
200
201
202
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0367