Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
itaramasoandro
Hampiditra ohabolana
-29.
tsikovo-drano, foza voatango: lalina fisaina fa ho ritra ny rano.
itaramasoandro
-28.
Valala ela nanidina folak’elatra: raha mahafoy ahy mba foiko.
itaramasoandro
-27.
fitia miara-maniry, ka raha lany ny anao dia lany koa ny azy.
itaramasoandro
-26.
raha tanora tsy ho jejo dia aleo maty ho razana.
itaramasoandro
-25.
indrindra hiseo ihany dia mananety; fa indrindra raha tsy hiseo ihany, dia aleo mitoto-bozaka.
itaramasoandro
-24.
raha eken-drabevoha aza, raha tsy eken-drafara tsy tapaka.
itaramasoandro
-23.
marary manetsa; mifidy na hantsaka na haka kitay.
itaramasoandro
-22.
sitry mahay vato, osy mahay harana.
itaramasoandro
-21.
aza mikiraro ambony kitay, ka manao laniala am-pisoronan’afo.
itaramasoandro
-20.
trafo-kena ome-mahery: am-bava homana, am-po mieritreritra.
itaramasoandro
-19.
toy ny mason’ny mpandrary: mijery ny an-kazony, mandinika ny andalan-drambony.
itaramasoandro
-18.
raha mararin-teny, aza mitakarina.
itaramasoandro
-17.
akoholahy mitelin-koto: raha mahay mitelina dia tohan’aina; raha tsy mahay mitelina, dia singotry ny lela.
itaramasoandro
-16.
izay manoro làlana mahitsy, mamindra aina.
itaramasoandro
-15.
angamenavava ka samy mitsilo ny alehany.
itaramasoandro
-14.
ny saina toy ny havitra: koa raha tsotra loatra, tsy mitondra; ary raha melo-doatra, mipaoka izay tsy hopaohina.
itaramasoandro
-13.
aza manao masoandro avy atsinana ka ny avo ihany no taingenana; fa manaova masoandro avy andrefana ka izay mivoha tsidihana avokoa.
itaramasoandro
-12.
tsy misy mateza milevina hoatra ny voalavo, fa raha mitranga izy dia hanin'ny saka.
itaramasoandro
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0249