Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Molotra
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Molotra
Hampiditra ohabolana
1.
Bemolotra mihina-koba ka,tafiaraka samy matevina
zandrymeva37
2.
Aza atao fitia an-tendro-molotra fa ataovy fitia latsa-paka
OZ16
3.
Aza manao fihavana-molotra:tezitra vao mifanatona.
sylvianna
4.
"Tsy misy adala hoatran'ny kisoa fa rehefa mivoaka be tondromolotra",adala
TOKYTK
5.
Ny latsaka am-po tsy hamelona, ka ny an-tendro-molotra indray no lelafina
yveratsimb
6.
Hilela-maina aza ataony, ka maika fa molotra misy tantely.
niryna
7.
Fozaorana milelamolotra toa vodin'alika mahita sakay
josla
8.
Mofo akondro sy lelamolotra ka izay manina manantona
josla
9.
Be molotra mihinana koba ka ho tafaray samy matevina. Fisa-molotra mihinana sipsa: tafaray samy manify
Mahasahy
10.
Ny kary no be mpanakora, ny kisoa no be tondro molotra, fa ny olona tokony ho be fihavanana.
aivetinakely
11.
tsy fidiny ho an'ny sima ny hanary ny rony, fa ny molotra hitsetritra no tsy ampy
rakekely
12.
Manambady bé molotra, hitondrana mivindina tsy hitondrana mivindina
menalamba
13.
Tsy misy maloto tahaka ny kisoa fa rehefa miboaka be tondro-molotra.
aivetinakely
14.
Aza atao fihavana-molotra ka tezitra vao mifanatona.
aivetinakely
15.
Manao fihavana-molotra, tezitra vao mifanatona
jlambout
16.
bari-maso be manafatra, ka ny be molotra indray no mianjona
latina
17.
Aza manao fihavana-molotra tezitra vao mifanantona
latina
18.
aza manao mpitari-bato vilam-bava, ny tondroin'ny molotra hafa, ny ataon'ny tanana hafa
latina
19.
Fihavana-molotra, tezitra vao mifanantona. Fihavanan'alika, tezitra vao mivanika.
RALANTO
20.
Tsy misy dondrona toy ny kisoa, fa rehefa tezitra manondro molotra.
marozevo
21.
Raha maratra ny tanana, mitsotsoka ny vava. Raha marary ny molotra, misafosafo ny tanana. Aza mitoto vary fohy loha. Aza manolo-bato mafana ny zaza. Mahery tsy maody hono tsy ho ela velona. Ataovy fisotro ranon'akoho, izay azo kely no andrandraina.
nanapiso
22.
Nify sy molotra, ka ny mahery no afaka aloha
hery
23.
Molotra sy nify, izay malemy fanahy tratra am-parany
JMR
24.
Aza manao fitiava-molotra tezitra vao mifanantona
vale
25.
Aza manao fihavan-molotra : tezitra vao mifanantona.
lanto
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0877