Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe didin
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
didin
Hampiditra ohabolana
1.
ny vary tsy fotsy adidiny laona, ny zazaka adala adidiny Ray aman-dReny
Benjamadagasikara
2.
Ny vary tsy masaka adidiny afo, ny lakan-tsitody adidiny fivoy.
Benjamadagasikara
3.
Adidinao tsy namangy fa ny aretiko sitran-tsy miody.
BEDOGAIGY
4.
Potsitra ny maso: adidin' ny loha; fotsy ny volo: adidin' ny loha; banga ny nify: adidin' ny loha
yveratsimb
5.
Zazavavy tsy endrehindamba sarika; tsy adidiko tsy adidin-drainy
yveratsimb
6.
Fantatrao ny maha hianao anao rehefa tsy misy olona manodidina anao
niryna
7.
Ny tenan-tsika moa dia andevolahy manan'omby ka na ny tena aza an'olona, ny adidiny tena vibiny, ny asa aman-draharaha sakelehina, ny any fanjakana loloavina
RTsongy
8.
Toy ny salaka ny fanahy, ny tompony ihany no ho didininy
latina
9.
Ny atao toy ny salaka: soa atao, manodidina, ratsy atao manodidina
latina
10.
Ny olombelona toy ny molo-bilany, ka iray manodidina ihany
latina
11.
sakodidin jaza, olom-be fanina
gozonel
12.
Ny teny toy ny salaka, soa atao mihodidina, ratsy atao mihodidina
faralisy
13.
Ny lainga toy ny salaka ka iray mihodidina iany
tia
14.
Izay voa manodidina
tovolahy007
15.
Mivoravora ny voadidin'ny antsy noho ny voadidin'ny vava
ngafy
16.
Isika toy ny ladim-mboatavo ka iray mihodidina ihany
doum
17.
Manao didin'ny be sandry
JMR
18.
Aza manao didin'ny be sandry
JMR
19.
molo-bilany ka iray mihodidina
kabarih
20.
ny hevitry ny vitsy manodidina ny fatana fa ny hevitry ny maro mahatakatra ny lanitra
jentilisa
21.
Ny atao toy ny salaka : soa atao, mihodidina; ratsy atao, mihodidina.
lanto
22.
Ny olombelona toy ny molo-bilany ka iray mihodidina ihany
lanto
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.1329