Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe lena
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
lena
Hampiditra ohabolana
1.
Trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalena hialofana
RIJA08
2.
Ataovy fitia voatavo : raha lena atao laoka, raha maina atao siny ary raha vaky atao toham-baliha hikalokaloko isan' andro
yveratsimb
3.
Ny olom-belona tsy main-tsy lena, samy tsy ilaozan'ny alahelo sy hafaliana
aivetinakely
4.
Ny fihavanana dia toy ny trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalena hialofana
niryna
5.
Miloloha lanitra ka tsy maintsy lena, mandia tany ka tsy maintsy solafaka
niryna
6.
Volon'akoholahy lena ka ny vava no enti-manifika.
aivetinakely
7.
Volon'akohoalahy lena ka ny vava no enti-manilika.
aivetinakely
8.
Aza mora mamoifo fa mora volena ny fitiavana.
aivetinakely
9.
Atodin'androngo anaty fasika, raha tsy lenan'ny orana main'ny taninandro.
aivetinakely
10.
Ny olombelona tsy main-tsy lena.
niryna
11.
Mande-tany ka tsy maintsy lena, miloloha lanitra ka tsy maintsy may
niryna
12.
Hazo nambolena antampotanety, koa sady manome aloka no manome loharano.
ilanto
13.
Volon'akoho lena ka ny vava no enti-manifika.
aivetinakely
14.
Monina ambanin'ny riaka fa tsy lena
niryna
15.
Mitolona anaty rano ka samy lena
latina
16.
Ny olombelona tsy maintsy lena
latina
17.
lavak orondambo nambolena saogno, efa hitako no nidirana
gozonel
18.
Ny olombelona tsy maintsy lena.
ariel
19.
Ataovy fitia voatavo : raha lena atao laoka, raha maina atao siny ary raha vaky atao toham-baliha hikalokaloko isan' andro
Mandefitra
20.
Vary lena voatoto ka samy te-ho lohany
jentilisa
21.
Lakana tsy mifidy andriana, ka izay miditra lena avokoa
McFy
22.
Vary lena voatoto : ka samy te-ho lohany
hery
23.
Ratsaramiangola no lena fividy kitay ka Rabozimanga no didi-maso amin'ny setroka.
jentilisa
24.
Ny olombelona tsy main-tsy lena
jentilisa
25.
Mandia tany tsy maintsy solafaka, miloloha lanitra tsy maintsy lena
vale
26.
Mandia tany ka lavo, miloloha lanitra ka lena.
ftma
27.
Toto vary lena ka samy te-ho lohany
hery
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0169