Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ohatran
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ohatran
Hampiditra ohabolana
1.
Mirenireny ohatran`ny alika tsisy tompony
RIJA08
2.
Mandeha ila ohatran`ny kiraron`i bemolahy
RIJA08
3.
Tsisy farany ohatran`ny zoma voalohany
RIJA08
4.
Maika ohatran`ny boka hanambady kanefa ny tanana hanatsofohana peratra aza tsisy
RIJA08
5.
Manalasala tahakin'ny vady lava nify, atao eo aoriana, ohatran'ny hanaikitra, atao aloha, sahala ny mitsiky amin'ny mpandalo
lova6
6.
Tsy ambony tsy ambany ohatran'ny lohalik'alika
kels
7.
Nidiran-doza ohatrany sinoa nenjehin' alika, ka ny sakafo indray no andosirana
andry 1000
8.
Lanilany fahatany ohatran'ny volan'ny mpisotro toaka
MATOKYAH
9.
Saro-tiavina ohatran'ny pô, amanizana vao velon-kira
bolena
10.
Efa tsara vina (études) ohatran'ny fasan'ny mpamosavy.
ontsy
11.
Sarotra tadiavina ohatran'ny Sinoa rastà.
Kotozafy2012
12.
Diso fanantenana ohatran'ny makorelina be vohoka, vola no tadiavina ka zaza no ao an-kibo.
kimbol
13.
manalasala ohatran'ny volom-pitombenana, hongotana marary tsy hongotana mihazo-maloto
razion
14.
be dohiaka ohatran'ny volom-pitombenana, efa tsofin'ny hetotra mbola mamikotra ihany
razion
15.
Mody maina ohatran'ny mpamositra alika
Ratianakel
16.
Maty antoka ohatran'ny koaitra tonga fotoana
Ratianakel
17.
Manararaotra ohatran'ny banga mihomehy alina
Ratianakel
18.
Atoraka indroa, ohatran'ny mpinona an-tanan-doza
niryna
19.
Miadan-dratsy ohatran'ny boka mitery omby
niryna
20.
matikambo ohatran'ny saka, ny tay totofana nefa ny vody tsy firana
mimi79
21.
Lany maina ohatran'ny sakafon-doholona
niryna
22.
Aza mitangorina ohatran'ny voangory ritra
niryna
23.
Tsy ambony tsy ambany, ohatran'ny loalik'alika.
kalarouge
24.
Tsara ivelany ohatran'ny tsihy
niryna
25.
Madio ivelany ohatran'ny fasam-bao
niryna
26.
Mitso-dava ohatran'ny amalo-maty
niryna
27.
Miavaka anatiny ohatran'ny maso fotsy.
niryna
28.
Ataovy ohatran'ny mihinam-bomanga bila ka any an-tenda izy no ahitsy
niryna
29.
Mihena an-toerana ohatran'ny fen'antitra
ikalamako
30.
Be resaka ohatran'Ambositra fa tsy mahaleo an'Ambodivoara
latina
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0671