Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe reniny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
reniny
Hampiditra ohabolana
1.
Aleo miadan-ko reniny toy izay mitsatsaingoka ho vantony
aivetinakely
2.
Tery omby ririnina, atao izay tsy hahabotry ny zanany, kendrena izay tsy hampahia ny reniny.
aivetinakely
3.
Tery omby ririnina ka atao izay tsy hankahia ny reniny ary tsy hahabotry ny zanany
yveratsimb
4.
Hendry zana-bady ka miaritra ny ditran-dreniny.
aivetinakely
5.
Zanak'omby masiaka ,tsy matahotra an-dreniny
niryna
6.
Akohokely voahitsa-dreniny ka tsy hala fa tompom-pitia.
soanja
7.
Zana-tsorohitra amoron-dalana ka tsy nariako, tsy narian-dreniny.
soanja
8.
Ny krismasy dia andro iray izay isarahan'ny reniny amin'ny zanany
niryna
9.
Gila maso mangata-bady, ny zanany no angatahana ka ny reniny no atao tsara tily.
Bocassa
10.
Bibilava fahaenina mitera-pahafito ka manatombo refy noho ny reniny
soaharytoliary
11.
Aza isaina ny akoho izay mbola any an-kibon-dreniny
niryna
12.
Akohokely latsaka an-kady, hiantso kely feo; hanidina tapak'elatra; hitoetra ihany manina ny reniny.
niryna
13.
Zanak'omby masiaka tsy matahotra an-dreniny.
niryna
14.
Misy taranaka izay tsy misaotra ny rainy sady manozona ny reniny.misy taranaka manao azy ho madio, kanjo tsy voasasa ho afaka amin'ny fahalotoany.
niryna
15.
Tsy misy mahay hatrany an-kibondreniny, fa na ny mitan-tsotro aza ianarana.
aivetinakely
16.
Atao teri-omby ririnina tsy ahaosa ny reniny, tsy ahafaty ny zanany
niryna
17.
Tiavo ny vady fa raha tafitohina hareniny
Swin
18.
Aleo miadan-koreniny toy izay mitsatsaingoka ho vantony.
fily
19.
Njola mangata-bady, ny zanany no angatahana ka ny reniny no atao tsara tily.
haintso
20.
tsy nisy nahay hatrany akibon-dreniny
doum
21.
Tsy mitsatsaingoka ho zanany na miady ho reniny
doum
22.
samy nosorandreniny menaka izao
doum
23.
Mitomany an-dreniny te-hinono, mitomany an-drainy te-hobabena
jentilisa
24.
Zanaky ny omby masiaka tsy mba matahotra ny reniny
jentilisa
25.
Akoho kely latsaka an-kady, hiantso, kely feo; hanidina, tapak'elatra; hitoetr ihany, manina an-dreniny
McFy
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1707