Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe misy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
misy
Hampiditra ohabolana
271.
Miangolangola manan-drojo ! Zara raha misy hototoina
hery
272.
Tsy misy mamy ohatry ny zaza fa raha manaikitra ny nono akifika
hery
273.
Tsy misy mafy tsy laitry ny zoto
hery
274.
Tsy misy mamy ohatry ny zanaka fa rehefa manaiki-nono akifika!
vale
275.
Akondro mahia misy masaka, saro-dazaina aman-kavana.
ftma
276.
Tsy misy tandroka ny ratsy
jentilisa
277.
ny hovadiana be ihany fa ny horafozanina no tsy misy
jentilisa
278.
Fatra-pitady ny tany tsy misy fasana ka sendra izay homan'olona
jentilisa
279.
Akondro mahia misy masaka, ka saro-dazaina aman-kavana
McFy
280.
Ny roa no tsara noho ny iray : raha lavo misy mpanarina
hery
281.
Tsy misy mitolo-batana, fa izay melo-bava no meloka
hery
282.
Havako raha misy patsa, fa raha lany ny patsa havan-tetezina
hery
283.
Aza mandalo tanĂ -misy havana
hery
284.
fihavanana raha misy patsa ka valin'fingika fingaka
ramuscle
285.
soabakaka ambody rihana! ny eritreritre b d b fa ny hozambody tsy misy
jazz666
286.
Jamba mamono vady ka:aiza ho aizan'iny itena? raha voan'izay tsy misy taolan-kalevina
jentilisa
287.
Vilany misarona ka toa misy hena ihany
jentilisa
288.
Tsy misy mamy toy ny zanaka fa raha manaiki-nono ahifika
McFy
289.
kanto ny raozy fa misy tsilony, mamy ny fary fa misy faikany
jentilisa
290.
tsy misy mangidy tahaka ny sakay fa rehefa teny ierana telina ihany
jentilisa
291.
Tsy misy hianteherana toa bozaka, tanora sakafon’ny omby, antitra sakafom-patana
Avahi
292.
Tsy misy mafy tsy laitry ny zoto
jentilisa
293.
Aza manao havana raha misy patsa
jentilisa
294.
Vava-kisoa misy sira ka tokinao hihinana azy!
jentilisa
295.
Mpamosavy mandeha alina aza misy mahita
vale
296.
Tsy misy Ray aman-dReny manolo-bato mafana ny zanany
vale
297.
Aza homa-maizina raha misy fanilo
ftma
298.
Aza manao an'Andriamanitra ho tsy misy ka hitsambiki-mikimpy
Vetso
299.
Ny homana aza misy diso (na raraka)
Fanja1
300.
Manaova soa ampiantany, fa misy hiankinana; ary manaova soa vato, fa misy hipetrahana
Fanja1
Voalohany
Mialoha
8
9
10
11
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.019