Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Les proverbes contenant misy
Liste des proverbes, contenant
misy
Insérer un proverbe
181.
Tsy misy mahita kilema momban'ny tena.
niryna
182.
Tsy misy malahelo tahaka ny maty vady fa rehefa manitsaka afo, mihinjaka ihany.
aivetinakely
183.
Tsy misy mamy tahaka ny zanaka fa rehefa manaiki-nono ahifika.
aivetinakely
184.
Saho-bakàka nanani-driana, ny fe lava misy hitsambikina, fa ny hery hanosika no tsy ampy.
aivetinakely
185.
Aza manao an'Andriamanitra tsy misy ka mitsambikina mikipy
niryna
186.
Manalasala tahaka ny katsaka, atao ho vavy toa misy volom-bava, atao ho lahy toa mibaby.
aivetinakely
187.
Tsy misy manao soa tahaka ny vilany fa rehefa lany ny mamy ahohoky ny sasany
aivetinakely
188.
Mihomehy lavo aza misy todiny.
lanto
189.
Vilagny misarogna dekoa misy raha.
lanto
190.
Mihinam-bary aza misy latsaka.
niryna
191.
Fatra pitady izay tany tsy misy fasana ka sendra izay mihinana olona
niryna
192.
Angady tokana;raha tapaka tsy misy hanakambanana azy indray.
niryna
193.
Ny maty no tsy alevina Alakamisy sy Alahady;ny velona no tandrovina
niryna
194.
Tsy misy valiny ;hoatra ny manao soa aman-kazo.
niryna
195.
Ny roa no tsara noho ny iray; raha lavo, misy mpanarina.
niryna
196.
Aza matahotra fa tsy misy tondroina dia maty.
niryna
197.
Rehefa maty ny hatao, sao-bakaka aza mampidi-dranoketsa, fa rehefa tsy hety kosa, ranon'ampago aza misy voay !
hr9296
198.
angady tokana: raha tapaka tsy misy hanakambana azy indray
latina
199.
Ohatry ny momba: tsy misy manao azy reny
latina
200.
Tsy misy sambatra ohatra ny fanambadian-tsitrapo
latina
201.
Tsy misy tsara oahtra ny fanmbadiana mifanaraka
latina
202.
Aza homehy lavo, fa ny tody tsy misy, fa ny atao no miverina.
latina
203.
aza manaraina misy vary
latina
204.
toy ny tsy mahatafy tena: ny tena mba te-hitafy ihany, fa ny sain-kanao no tsy misy
latina
205.
Ny valala misy rahate, ny mpilaza mahay koa
latina
206.
Tsy misy hianterana toa bozaka: tanora sakafon'ny omby, antitra, sakafom-patana
latina
207.
boka very tsy misy araka
latina
208.
Ady misy hena, ka izay mamoy no liana
latina
209.
Misy rony, miara-misotro, misy ventiny, miara-mitsako
latina
210.
havako raha misy patsa, fa raha lany ny patsa, havan-tetezina
latina
First
Previous
5
6
7
8
9
Next
Last
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0183