Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Les proverbes contenant misy
Liste des proverbes, contenant
misy
Insérer un proverbe
181.
Tsy misy mamy tahaka ny zanaka fa rehefa manaiki-nono ahifika.
aivetinakely
182.
Saho-bakàka nanani-driana, ny fe lava misy hitsambikina, fa ny hery hanosika no tsy ampy.
aivetinakely
183.
Aza manao an'Andriamanitra tsy misy ka mitsambikina mikipy
niryna
184.
Manalasala tahaka ny katsaka, atao ho vavy toa misy volom-bava, atao ho lahy toa mibaby.
aivetinakely
185.
Tsy misy manao soa tahaka ny vilany fa rehefa lany ny mamy ahohoky ny sasany
aivetinakely
186.
Mihomehy lavo aza misy todiny.
lanto
187.
Vilagny misarogna dekoa misy raha.
lanto
188.
Mihinam-bary aza misy latsaka.
niryna
189.
Fatra pitady izay tany tsy misy fasana ka sendra izay mihinana olona
niryna
190.
Angady tokana;raha tapaka tsy misy hanakambanana azy indray.
niryna
191.
Ny maty no tsy alevina Alakamisy sy Alahady;ny velona no tandrovina
niryna
192.
Tsy misy valiny ;hoatra ny manao soa aman-kazo.
niryna
193.
Ny roa no tsara noho ny iray; raha lavo, misy mpanarina.
niryna
194.
Aza matahotra fa tsy misy tondroina dia maty.
niryna
195.
Rehefa maty ny hatao, sao-bakaka aza mampidi-dranoketsa, fa rehefa tsy hety kosa, ranon'ampago aza misy voay !
hr9296
196.
angady tokana: raha tapaka tsy misy hanakambana azy indray
latina
197.
Ohatry ny momba: tsy misy manao azy reny
latina
198.
Tsy misy sambatra ohatra ny fanambadian-tsitrapo
latina
199.
Tsy misy tsara oahtra ny fanmbadiana mifanaraka
latina
200.
Aza homehy lavo, fa ny tody tsy misy, fa ny atao no miverina.
latina
201.
aza manaraina misy vary
latina
202.
toy ny tsy mahatafy tena: ny tena mba te-hitafy ihany, fa ny sain-kanao no tsy misy
latina
203.
Ny valala misy rahate, ny mpilaza mahay koa
latina
204.
Tsy misy hianterana toa bozaka: tanora sakafon'ny omby, antitra, sakafom-patana
latina
205.
boka very tsy misy araka
latina
206.
Ady misy hena, ka izay mamoy no liana
latina
207.
Misy rony, miara-misotro, misy ventiny, miara-mitsako
latina
208.
havako raha misy patsa, fa raha lany ny patsa, havan-tetezina
latina
209.
aza mandalo tanàna misy havana
latina
210.
Faly raha tonga ny rano fanala kenda, raha malahelo ka misy mpanony, raha lavo ka misy mpanarina
latina
First
Previous
5
6
7
8
9
Next
Last
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0176