Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe misy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
misy
Hampiditra ohabolana
241.
Manankarena mahihitra, maty vao misy mpilanja.
jefra
242.
Kitapo tama-misy vola, ka raha mikointsam-poana mahamenatra.
jefra
243.
Ny roa no tsara noho ny iray, raha lavo misy mpanarina.
jefra
244.
Tsy misy malahelo toy ny maty vady rehefa manitsaka androngo mitsinjaka ihany.
jentilisa
245.
Lamba ka tsy misy atiny sy vohony
zouzou
246.
Tsy misy tsy mafy ohatran'ny vato fa rehefa tsy miteny angerezan'ny vorona
pseudofanja
247.
Tsy mila hatotongana ny harona vao hatao hoe tsy misy.
ftma
248.
Tsy misy masiaka toy ny sakay fa rehefa teny ierana lany ihany.
hery
249.
Sotro ranon' alika farany vao misy ventiny.
hery
250.
Tsy misy mamy hoatran'ny zanaka fa rehefa manaikitra ny nono ahifika ihany.
fily
251.
Aza te ho derain'ny alika ka mikiky taolana tsy misy hena.
mandrindra
252.
Tsy misy tsy diso fa izay to fo mpamosavy
doum
253.
Ny rindrina misy sofina
doum
254.
Tsy misy mamy toy ny zanaka fa raha manaiki-nono hahifika
doum
255.
Ao anatin'ny mangidy no misy ny mamy
doum
256.
ny todim-paty aza misy fa ny todim-pitia manodiava.
aurora
257.
mihinam-bary aza misy latsaka
jentilisa
258.
Aza matahotra fa tsy misy tondroina dia maty
jentilisa
259.
Sitrapon-dRalakamisy ny nanambadiany ambaniandro
JMR
260.
Manao tany tsy misy fanjakana
JMR
261.
Mpanankarena mahihitra: maty vao misy milanja
jentilisa
262.
Marina fa misy lainga ary lainga fa misy ny marina
JMR
263.
rano am-pasika, tazani-tsy misy, tovozina ao ihany.
jentilisa
264.
Tsy misy manaha-bato aman-kazo fa manahaka ny olona nihaviany avy.
jentilisa
265.
Ny manantena tsy misy no sarotra fa ny mamoy mora foana
JMR
266.
kodiaran-tsarety ny fiainana misy ambony misy ambany
zanita
267.
tanety lava misy isainana
jentilisa
268.
Aza mahandro hena tsy misy anarana
McFy
269.
Tsy misy mangidy noho ny sakay fa rehefa teny ierana dia hanina
mandrindra
270.
Raha foin’ ny vava, tsy misy raorao ; fa hany raoraon’ izany ny lainga
hery
Voalohany
Mialoha
7
8
9
10
11
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0185