Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe misy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
misy
Hampiditra ohabolana
241.
Tsy misy malahelo toy ny maty vady rehefa manitsaka androngo mitsinjaka ihany.
jentilisa
242.
ny manantena tsy misy no sarotra, fa ny mamoy mora foana
zouzou
243.
lamba ka tsy misy atiny sy vohony
zouzou
244.
Tsy misy tsy mafy ohatran'ny vato fa rehefa tsy miteny angerezan'ny vorona
pseudofanja
245.
Tsy mila hatotongana ny harona vao hatao hoe tsy misy.
ftma
246.
Tsy misy masiaka toy ny sakay fa rehefa teny ierana lany ihany.
hery
247.
Sotro ranon' alika farany vao misy ventiny.
hery
248.
Tsy misy mamy hoatran'ny zanaka fa rehefa manaikitra ny nono ahifika ihany.
fily
249.
Aza te ho derain'ny alika ka mikiky taolana tsy misy hena.
mandrindra
250.
Tsy misy tsy diso fa izay to fo mpamosavy
doum
251.
Ny rindrina misy sofina
doum
252.
Tsy misy mamy toy ny zanaka fa raha manaiki-nono hahifika
doum
253.
Ao anatin'ny mangidy no misy ny mamy
doum
254.
ny todim-paty aza misy fa ny todim-pitia manodiava.
aurora
255.
mihinam-bary aza misy latsaka
jentilisa
256.
Aza matahotra fa tsy misy tondroina dia maty
jentilisa
257.
Sitrapon-dRalakamisy ny nanambadiany ambaniandro
JMR
258.
Manao tany tsy misy fanjakana
JMR
259.
Mpanankarena mahihitra: maty vao misy milanja
jentilisa
260.
Marina fa misy lainga ary lainga fa misy ny marina
JMR
261.
rano am-pasika, tazani-tsy misy, tovozina ao ihany.
jentilisa
262.
Tsy misy manaha-bato aman-kazo fa manahaka ny olona nihaviany avy.
jentilisa
263.
Ny manantena tsy misy no sarotra fa ny mamoy mora foana
JMR
264.
kodiaran-tsarety ny fiainana misy ambony misy ambany
zanita
265.
tanety lava misy isainana
jentilisa
266.
Aza mahandro hena tsy misy anarana
McFy
267.
Tsy misy mangidy noho ny sakay fa rehefa teny ierana dia hanina
mandrindra
268.
Raha foin’ ny vava, tsy misy raorao ; fa hany raoraon’ izany ny lainga
hery
269.
Miangolangola manan-drojo ! Zara raha misy hototoina
hery
270.
Tsy misy mamy ohatry ny zaza fa raha manaikitra ny nono akifika
hery
Voalohany
Mialoha
7
8
9
10
11
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0849