Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe anana
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
anana
Hampiditra ohabolana
331.
Tsy mety raha ny havia no mody havanana
zouzou
332.
Ny nantenaina tsy azo ny an-tanana votsotra.
hery
333.
Didi-maso asiam-panafody mahareta fa hanana ny soa.
hery
334.
Anarantany no ao Ambohimanambola fa ny manana ihany no manana
mandrindra
335.
Varotra tsy raikitra tsy maharatsy fihavanana
mandrindra
336.
Ny hanambadin-kiadanana
doum
337.
Mandimby ray tsy satry toa fandrotrarana an-tanàna haolo
doum
338.
maso solon'ny maso, nify solon'ny nify, tanana solon'ny tanana...
doum
339.
Hamidio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara
doum
340.
Ny te hanana tsy mahaleo ny ambinina
doum
341.
Izay ataon'ny tananao havia aza atao fantan'ny tananao havanana
doum
342.
Tanana efa zatra nitsotra tsy mety mivokona intsony
doum
343.
Tana-kavia sy havanana ka izay tsy maharary manafosafo
doum
344.
Fanambadiana tsy raikitra tsy atao haharatsy fihavanana
doum
345.
Ny nenina tsy eo aloha hananatra fa ao aorina handatsa
doum
346.
Takalom-patsa vidim-pihinanana
jentilisa
347.
aza tafandry manana aretina
jentilisa
348.
aza manao fo vato fa manàna fo emboka
jentilisa
349.
Fatra-pandefitra toy ny mpivaro-tantely, ny tompony indray no milela-tanana
jentilisa
350.
ny anambadian-kiadanana
jentilisa
351.
Varotra amponga an-tanana; sady mahare ny feony no mahalany ny vidiny.
jentilisa
352.
be famaritra tahaka ny rambon'osy: lanitra tsy hianjera no tohanana
jentilisa
353.
tsy takona afenina toy ny tafika andrefan-tanàna
jentilisa
354.
Lalitra mitaingina omby, ny eritreritra betsaka fa ny hoenti-manana manify
JMR
355.
Mahery an-tanana toy ny akoholahy fataka
JMR
356.
tantanana sy riandriana ka tsy matahotra izay hifandona.
jentilisa
357.
Mason-tsokina, ny kely ananana no ahiratra
JMR
358.
Araben'Antananarivo na malalaka aza manantompo
zanita
359.
Manalasala toy ny parasy am-pitombenana, avela mangidihidy, haorina manamaimbo tanana!
JMR
360.
Mitovy ny tsy manana sy ny tsy manaja
JMR
Voalohany
Mialoha
10
11
12
13
14
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0219