Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ihany
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ihany
Hampiditra ohabolana
391.
tsy misy mangidy tahaka ny sakay fa rehefa teny ierana telina ihany
jentilisa
392.
Ikotokely milalao kary ka ny filalaovana ihany ny ahy fa ny kary an-dRafotsibe
Avahi
393.
Menatra ny efa nisaraka ka mitsanga-miankina ihany
McFy
394.
Antitra miady kalo ka ny antitra antitra ihany
jentilisa
395.
Ny mahihitra ihany no lany be
jentilisa
396.
Ny hendry mody voky fa ny adala manesika ihany
vale
397.
Be kibo mahihitra, ny an'olona ihany no tadiaviny hamenoana azy
ftma
398.
Anaran-tany no Ambohimanambola fa ny manana ihany no manana
ftma
399.
Ny lainga toy ny salaka ka ny tompony ihany no afatony
hanta77
400.
Andriamanitra tsy andrin'ny olona andriko ihany
Fanja1
401.
Tsy nisy nivavaka niankandrefana, fa samy nianavaratra ihany; ny harena mila vintana ka raha tsy anjara, tsy tonga.
lanto
402.
Sorohitra mitaingina ambony antsoro, ka ny malemy ihany no tsindriany.
hery
403.
Ny olombelona ohatra ny ladim-boatavo : raha fotorana iray ihany.
lanto
404.
Ny olombelona toy ny molo-bilany ka iray mihodidina ihany.
lanto
405.
Ny olombelona toy ny embok'akondro : raha manondro ny lanitra, iray ihany, fa raha miondrika, samy manana ny lafiny.
hery
406.
Aza ny vato handrĂ tra ny loha ihany no sainina, fa mba hevero koa ny fasika handitsoka ny maso.
hery
Voalohany
Mialoha
12
13
14
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0668