Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe alika
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
alika
Hampiditra ohabolana
31.
Mipelipeli-drambo toa alika tonga tompo-trano
josla
32.
Sakorok'alika toa fivorian'ny fozaorana : ny tanana atao V, ny nify aloha toa sosona
josla
33.
Aza atao toy ny sotroben'Ambodinisotry, ka sady ikapohana alika no andoaran-dasopy
josla
34.
Fozaorana milelamolotra toa vodin'alika mahita sakay
josla
35.
Tainalikan'i Zily
josla
36.
Ambakain'ny tainy tahaka ny alika nihinan-droatra
samaky
37.
Benalika no niongo-kerana, ka Isamboranto no miempa-tanana.
soanja
38.
Andevolahy maty hariva, ka vovon'alika no anjara tafondrony.
soanja
39.
Ny loza toy ny alika,rehefa antsoina dia tonga
manip
40.
Na mahay manjohy aza ny kibobo, ny alika koa mahay manimbolo.
soanja
41.
Alika mitsaba-doharano ka tsy hetaheta fa hasomparana.
soanja
42.
Adala mandeha miantsena ka ny siramamin-jaza natoraka alika
kiriah
43.
Ny TIA toy ny alika ,mbetika mivovo mbetika mileladelaka
kiriah
44.
Tokin-dreninondry ka tratrin'ny alika eo ampibahanana.
soanja
45.
Kapok'alikan'ny belanonana, ka voa ny lohany, voa ny tendany, voa ny kibony.
soanja
46.
Sanganehana ohatra ny ondry sangian'alika.
soanja
47.
Ny ondry voatsipi-taolana, fa ny alika voatsipi-bilona, samy ao fa nifandiso.
soanja
48.
Aza manao fahateran'alika ka antitra vao mihagaigy!
farihy
49.
Mody maina ohatran'ny mpamositra alika
Ratianakel
50.
Ny alika no miverina amin'ny malotony, ny mpangalatra no miverina amin'ny toerana nangalariny fa ny hendry kosa vao maika mitombo fahendrena
niryna
51.
Mivadika tahaka ny lohalik'alika, any aoriana indray no misy azy.
aivetinakely
52.
Ny saka vidina fa ny alika lafo vidy.
aivetinakely
53.
Alika mahia, sady tsy mahavita adidy no manala baràka ny tompony
aivetinakely
54.
Eny Itôsy no mamahana alika ka aty Andranolalina no mitady hanina.
aivetinakely
55.
Ny alika enjehina fa ny saka mianika hazo.
aivetinakely
56.
Matahotra ny alika tsy ho vola ka nivarotra ny saka dimy ariary efatra.
aivetinakely
57.
Ny alika enjehina fa ny saka lafo vidy.
aivetinakely
58.
Milanja loha tsy mitondra mody tahaka ny alika miantsena.
aivetinakely
59.
Aza manao fivorian'alika ka ny dinika tsy misy tapaka fa ny orokoroka no betsaka
epsedo
60.
Tovolahy tsy mahalala ho an tena, sakafon alika gaigy.
kanto1
1
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0235