Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe alika
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
alika
Hampiditra ohabolana
31.
Fozaorana milelamolotra toa vodin'alika mahita sakay
josla
32.
Tainalikan'i Zily
josla
33.
Ambakain'ny tainy tahaka ny alika nihinan-droatra
samaky
34.
Benalika no niongo-kerana, ka Isamboranto no miempa-tanana.
soanja
35.
Andevolahy maty hariva, ka vovon'alika no anjara tafondrony.
soanja
36.
Ny loza toy ny alika,rehefa antsoina dia tonga
manip
37.
Na mahay manjohy aza ny kibobo, ny alika koa mahay manimbolo.
soanja
38.
Alika mitsaba-doharano ka tsy hetaheta fa hasomparana.
soanja
39.
Adala mandeha miantsena ka ny siramamin-jaza natoraka alika
kiriah
40.
Ny TIA toy ny alika ,mbetika mivovo mbetika mileladelaka
kiriah
41.
Tokin-dreninondry ka tratrin'ny alika eo ampibahanana.
soanja
42.
Kapok'alikan'ny belanonana, ka voa ny lohany, voa ny tendany, voa ny kibony.
soanja
43.
Sanganehana ohatra ny ondry sangian'alika.
soanja
44.
Ny ondry voatsipi-taolana, fa ny alika voatsipi-bilona, samy ao fa nifandiso.
soanja
45.
Aza manao fahateran'alika ka antitra vao mihagaigy!
farihy
46.
Mody maina ohatran'ny mpamositra alika
Ratianakel
47.
Ny alika no miverina amin'ny malotony, ny mpangalatra no miverina amin'ny toerana nangalariny fa ny hendry kosa vao maika mitombo fahendrena
niryna
48.
Mivadika tahaka ny lohalik'alika, any aoriana indray no misy azy.
aivetinakely
49.
Ny saka vidina fa ny alika lafo vidy.
aivetinakely
50.
Alika mahia, sady tsy mahavita adidy no manala baràka ny tompony
aivetinakely
51.
Eny Itôsy no mamahana alika ka aty Andranolalina no mitady hanina.
aivetinakely
52.
Ny alika enjehina fa ny saka mianika hazo.
aivetinakely
53.
Matahotra ny alika tsy ho vola ka nivarotra ny saka dimy ariary efatra.
aivetinakely
54.
Ny alika enjehina fa ny saka lafo vidy.
aivetinakely
55.
Milanja loha tsy mitondra mody tahaka ny alika miantsena.
aivetinakely
56.
Aza manao fivorian'alika ka ny dinika tsy misy tapaka fa ny orokoroka no betsaka
epsedo
57.
Tovolahy tsy mahalala ho an tena, sakafon alika gaigy.
kanto1
58.
miala maina toy ny avy nandevina alika, ny mpamangy tsy misy ny ho vangina tsy misy
dziana
59.
Az a atao fihavanan'alika ka taolana iray no isarahana
aivetinakely
60.
te ho deraina toy ny alika mikiky taola-maina
elyzo
1
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0343