Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe alika
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
alika
Hampiditra ohabolana
61.
miala maina toy ny avy nandevina alika, ny mpamangy tsy misy ny ho vangina tsy misy
dziana
62.
Az a atao fihavanan'alika ka taolana iray no isarahana
aivetinakely
63.
te ho deraina toy ny alika mikiky taola-maina
elyzo
64.
aza te ho deraina toy ny alika miambozon-koditra
elyzo
65.
Tsy misy tanora natao tsy hijihina, fa rehefa antitra miady lohalika
zanakantitra
66.
Tsy ambony tsy ambany, ohatran'ny loalik'alika.
kalarouge
67.
Ny alika aza tsy mahazo fitahina ka maika fa ny olona.
niryna
68.
Afaka hividianana alika tsara ny vola, saingy ny fahatsorana sy ny fifaliana no mampa-tonga azy hanilikilika ny rambony.
niryna
69.
Tsy afaka hianatra baiko intsony ny alika antitra
niryna
70.
Toy ny tain'alika ka ny avo ihany no hivovonana.
niryna
71.
Badolahy mian-tsena ka ny siramamy no atoraka alika.
aivetinakely
72.
Aleo mandefitra ho mandina tahaka ny laditra, toy izay mivongovongo ho maina tahaka ny lohalika.
aivetinakely
73.
Badolahy mian-tsena ka siramamy no atoraka alika.
aivetinakely
74.
Varotra alika tsy ifanerena.
lanto
75.
Tain'alika ka ny avo ihany no tovonana.
niryna
76.
valalan'alika, ny tompony aza tsy tia
latina
77.
fitiavan'alika ka fifandroritana no hiafarany
nalaina
78.
Manira-tena toy ny alika ho any an-tsena
mikavao
79.
manao fahanterana alika ka antitra vao mihagaigy
litakelinineny
80.
Manao fahanteran'alika ka antitra vao misary gaigy
herikely
81.
Fihavana-molotra, tezitra vao mifanantona. Fihavanan'alika, tezitra vao mivanika.
RALANTO
82.
Toiny valalan'alika ka ny tompony aza tsy tia
rafozanasket
83.
Kapok'alikany be lamosina indray mifoaka ny tongony sy ny lohany
rafozanasket
84.
Tsy alikalahin'ialahy ny ben'ny tanàna, no sady hamfa làlana no hitsoka kiririoka
jex
85.
alika mivovo, tsy siaky fa tahotse
roscarb
86.
alika avao ro masiaky an-tanà
roscarb
87.
Finamàn'alika: manatiry bakeo atery
roscarb
88.
Manao finamàn'alika ka taola ro ialia
roscarb
89.
Ny olona jamba ny vola fa ny alika jamba ny taolana.
ariel
90.
Ny alika jamban'ny taolana fa ny olona jamban'ny vola
Ingahy
1
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0235