Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe alika
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
alika
Hampiditra ohabolana
61.
aza te ho deraina toy ny alika miambozon-koditra
elyzo
62.
Tsy misy tanora natao tsy hijihina, fa rehefa antitra miady lohalika
zanakantitra
63.
Tsy ambony tsy ambany, ohatran'ny loalik'alika.
kalarouge
64.
Ny alika aza tsy mahazo fitahina ka maika fa ny olona.
niryna
65.
Afaka hividianana alika tsara ny vola, saingy ny fahatsorana sy ny fifaliana no mampa-tonga azy hanilikilika ny rambony.
niryna
66.
Tsy afaka hianatra baiko intsony ny alika antitra
niryna
67.
Toy ny tain'alika ka ny avo ihany no hivovonana.
niryna
68.
Badolahy mian-tsena ka ny siramamy no atoraka alika.
aivetinakely
69.
Aleo mandefitra ho mandina tahaka ny laditra, toy izay mivongovongo ho maina tahaka ny lohalika.
aivetinakely
70.
Badolahy mian-tsena ka siramamy no atoraka alika.
aivetinakely
71.
Varotra alika tsy ifanerena.
lanto
72.
Tain'alika ka ny avo ihany no tovonana.
niryna
73.
valalan'alika, ny tompony aza tsy tia
latina
74.
fitiavan'alika ka fifandroritana no hiafarany
nalaina
75.
Manira-tena toy ny alika ho any an-tsena
mikavao
76.
manao fahanterana alika ka antitra vao mihagaigy
litakelinineny
77.
Manao fahanteran'alika ka antitra vao misary gaigy
herikely
78.
Fihavana-molotra, tezitra vao mifanantona. Fihavanan'alika, tezitra vao mivanika.
RALANTO
79.
Toiny valalan'alika ka ny tompony aza tsy tia
rafozanasket
80.
Kapok'alikany be lamosina indray mifoaka ny tongony sy ny lohany
rafozanasket
81.
Tsy alikalahin'ialahy ny ben'ny tanàna, no sady hamfa làlana no hitsoka kiririoka
jex
82.
alika mivovo, tsy siaky fa tahotse
roscarb
83.
alika avao ro masiaky an-tanà
roscarb
84.
Finamàn'alika: manatiry bakeo atery
roscarb
85.
Manao finamàn'alika ka taola ro ialia
roscarb
86.
Ny olona jamba ny vola fa ny alika jamba ny taolana.
ariel
87.
Ny alika jamban'ny taolana fa ny olona jamban'ny vola
Ingahy
88.
Maty tsy alevin-kavana toy ny alika.
jefra
89.
toy ny alika miandry embok'akondro : andrasana, tsy latsaka ; ilaozana toa hena
zouzou
90.
Sotro ranon' alika farany vao misy ventiny.
hery
1
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0882