Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe loza
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
loza
Hampiditra ohabolana
31.
aza lozabe manan'anaka sao tsy manan-dray ny zaza.
latina
32.
manambady ny lava, tsy mindran-tohatra intsony, manambady ny fohy, mitahiry tapak'aponga, manambady ny lozabe, mitahiry varatra an-trano
latina
33.
Tahaka ny antitra mitomany:maika loza miketrona manaratsy tena
latina
34.
Tsingala sy dinta: raha miray trano loza, ary raha mifanaikitra, atambo.
latina
35.
Tafondro natifi-baratra, ka tafahaona samy loza
latina
36.
Ny teny ierana tsy mba loza
latina
37.
Ny kibo no be eritreri-dratsy, ka ny vava no mahazo loza
latina
38.
Mpamosavy natakalo omby mahery: lasa ny loza, fa tonga ny atambo.
latina
39.
Ny soa atao hilevenam-bola, ny ratsy atao loza mihantona
latina
40.
Ny soa atao levenam-bola fa ny ratsy atao loza mihantona.
elatra
41.
Ny soa atao levenam-bola fa ny ratsy atao loza miantona
poussye
42.
Ny soa atao ilevenam-bola, ny ratsy atao loza miantona
bbn
43.
Raha avy ny loza, patsa iray tsy omby vava
zouzou
44.
Ny soa atao ilevenem-bola fa ny ratsy atao loza mihantona!
vale
45.
Ny soa atao levenam-bola nyratsy atao loza mihantona
doum
46.
toy ny tsy hita de iray ny fiainana ka lozan'izay tia roa
palince
47.
Mahita loza Ikalamomba fa misambo-balala ho anjanak'olona.
jentilisa
48.
Ity vao loza fa nangetotra ny foza
JMR
49.
Aza manao toy ny vorontsiloza; mihambo tena fa izy ihany
McFy
50.
raha avy ny loza, patsa iray tsy omby vava, tain'akoho mahatafintohina.
jentilisa
51.
Rafotsibe naka rafy ka naka loza ho an'ny tena
jentilisa
52.
Ny ratsy atao loza mihantona
Vetso
53.
Ny lozabe maty tsy atrehin-kavana dia toy ny adrisa ka mamikitra ahitra irery
hery
54.
Tsingala sy dinta; raha miray trano loza, ary raha mifanaikitra, antambo
McFy
55.
Aza lozabe manana anaka, andrao tsy manan-dray ny zaza
McFy
56.
Ny kibo no be eritreri-dratsy, ka ny vava no mahazo loza
Fanja1
57.
Manontany tsy loza, manjohy tsy atambo.
lanto
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.433